Skip to content
Church.wiki
John

John 2

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary tamin’ ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin’ i Jesosy.Select John 2:1

2Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin’ ny fampakaram-bady.Select John 2:2

3Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’ i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.Select John 2:3

4Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.Select John 2:4

5Fa hoy ny reniny tamin’ ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.Select John 2:5

6Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon’ ny Jiosy.Select John 2:6

7Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ ny molony.Select John 2:7

8Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin’ izao, ka ento ho eo amin’ ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.Select John 2:8

9Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izySelect John 2:9

10ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon’ ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.Select John 2:10

11Izany no nataon’ i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.Select John 2:11

12Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin’ ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.Select John 2:12

13Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.Select John 2:13

14Ary hitany teo an-kianjan’ ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;Select John 2:14

15dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan’ ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;Select John 2:15

16dia hoy Izy tamin’ ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon’ ny Raiko.Select John 2:16

17Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin’ ny tranonao no haharitra aina ahy.Select John 2:17

18Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?Select John 2:18

19Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy.Select John 2:19

20Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin’ ny hateloana?Select John 2:20

21Fa ny tenany no tempoly nolazainy.Select John 2:21

22Ary koa, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy, dia tsaroan’ ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masìna sy ny teny izay nolazain’ i Jesosy izy.Select John 2:22

23Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ ny Paska, dia tamin’ ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.Select John 2:23

24Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;Select John 2:24

25ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ ny olona.Select John 2:25

Next: John 3Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

John

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.