John 3
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin’ ny Jiosy.Select John 3:1
2Izy nankao amin’ i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.Select John 3:2
3Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra.Select John 3:3
4Hoy Nikodemosy taminy: Hataon’ ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?Select John 3:4
5Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy.Select John 3:5
6Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.Select John 3:6
7aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo.Select John 3:7
8Ny rivotra mitsoka amin’ izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.Select John 3:8
9Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?Select John 3:9
10Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?Select John 3:10
11Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.Select John 3:11
12Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?Select John 3:12
13Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’ olona, Izay any an-danitra.Select John 3:13
14Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona,Select John 3:14
15mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.Select John 3:15
16Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.Select John 3:16
17Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.Select John 3:17
18Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ ny Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra izy.Select John 3:18
19Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.Select John 3:19
20Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.Select John 3:20
21Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’ Andriamanitra izany.Select John 3:21
22Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.Select John 3:22
23Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin’ i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.Select John 3:23
24Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona.Select John 3:24
25Ary nisy nifandiran’ ny mpianatr’ i Jaona tamin’ ny Jiosy anankiray ny amin’ ny fanadiovana;Select John 3:25
26ary tonga tany amin’ i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin’ i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.Select John 3:26
27Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.Select John 3:27
28Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.Select John 3:28
29Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.Select John 3:29
30Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.Select John 3:30
31Izay avy any ambony dia ambonin’ izy rehetra; ary izay avy amin’ ny tany dia avy amin’ ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin’ izy rehetra;Select John 3:31
32koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.Select John 3:32
33Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.Select John 3:33
34Fa Izay nirahin’ Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy.Select John 3:34
35Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.Select John 3:35
36Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’ Andriamanitra no mitoetra eo aminy.Select John 3:36
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation