John 5
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan’ ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.Select John 5:1
2Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin’ ny vavahadin’ ondry, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.Select John 5:2
3Tao no nandrian’ ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.Select John 5:3
4Select John 5:4
5Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.Select John 5:5
6Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?Select John 5:6
7Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.Select John 5:7
8Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.Select John 5:8
9Ary niaraka tamin’ izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.Select John 5:9
10Dia hoy ny Jiosy tamin’ ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao.Select John 5:10
11Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.Select John 5:11
12Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?Select John 5:12
13Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.Select John 5:13
14Rehefa afaka izany, dia hitan’ i Jesosy teo an-kianjan’ ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.Select John 5:14
15Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.Select John 5:15
16Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an’ i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin’ ny Sabata Izy.Select John 5:16
17Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.Select John 5:17
18Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin’ ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’ Andriamanitra Izy.Select John 5:18
19Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ ny Ray dia toy izany koa no ataon’ ny Zanaka.Select John 5:19
20Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo.Select John 5:20
21Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ ny Zanaka izay tiany.Select John 5:21
22Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,Select John 5:22
23mba hanajan’ ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.Select John 5:23
24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana izy.Select John 5:24
25Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ ny maty ny feon’ ny Zanak’ Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona.Select John 5:25
26Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy;Select John 5:26
27ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’ olona.Select John 5:27
28Aza gaga amin’ izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony;Select John 5:28
29dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ fitsanganana ho fahamelohana.Select John 5:29
30Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.Select John 5:30
31Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako.Select John 5:31
32Misy Anankiray Izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.Select John 5:32
33Hianareo naniraka tany amin’ i Jaona, ary nanambara ny marina izy.Select John 5:33
34Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin’ olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo.Select John 5:34
35Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin’ faharavany.Select John 5:35
36Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen’ ny Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin’ ny Ray.Select John 5:36
37Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny,Select John 5:37
38ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.Select John 5:38
39Dinihinareo ny Soratra Masìna, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.Select John 5:39
40Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.Select John 5:40
41Tsy mandray laza avy amin’ olonaSelect John 5:41
42Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an’ Andriamanitra ao am-ponareo.Select John 5:42
43Izaho dia avy amin’ ny anaran’ ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin’ ny anaran’ ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.Select John 5:43
44Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin’ ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?Select John 5:44
45Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo.Select John 5:45
46Fa raha mba nino an’ i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.Select John 5:46
47Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?Select John 5:47
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation