John 7
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.Select John 7:1
2Ary efa akaiky ny andro firavoravoan’ ny Jiosy, dia ny amin’ ny Tabernakely,Select John 7:2
3ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan’ ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;Select John 7:3
4fa tsy misy olona manao zavatra amin’ ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin’ izao tontolo izao.Select John 7:4
5Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.Select John 7:5
6Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.Select John 7:6
7Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.Select John 7:7
8Miakara ho amin’ ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.Select John 7:8
9Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.Select John 7:9
10Fa rehefa lasa niakatra ho amin’ ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.Select John 7:10
11Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin’ ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?Select John 7:11
12Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.Select John 7:12
13Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.Select John 7:13
14Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra.Select John 7:14
15Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?Select John 7:15
16Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ izay naniraka Ahy.Select John 7:16
17Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.Select John 7:17
18Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.Select John 7:18
19Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?Select John 7:19
20Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?Select John 7:20
21Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra.Select John 7:21
22Izao no nanomezan’ i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin’ i Mosesy, fa noho izy avy tamin’ ny razana, ka na dia amin’ ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.Select John 7:22
23Raha amin’ ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn’ i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin’ ny Sabata.Select John 7:23
24Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.Select John 7:24
25Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?Select John 7:25
26Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?Select John 7:26
27Nefa fantatsika izay nihavian’ ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.Select John 7:27
28Dia niantso teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.Select John 7:28
29Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.Select John 7:29
30Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.Select John 7:30
31Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ ity Lehilahy ity va Izy?Select John 7:31
32Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.Select John 7:32
33Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin’ izay naniraka Ahy Aho.Select John 7:33
34Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.Select John 7:34
35Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan’ ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin’ izay miely any amin’ ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?Select John 7:35
36Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?Select John 7:36
37Ary tamin’ ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.Select John 7:37
38Izay mino Ahy, dia hisy onin’ ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ ny Soratra Masìna.Select John 7:38
39Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ ny mino Azy, no nolazainy tamin’ izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ ny voninahiny.Select John 7:39
40Ary ny sasany tamin’ ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.Select John 7:40
41Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian’ i Kristy?Select John 7:41
42Tsy voalazan’ ny Soratra Masìna va fa Kristy dia avy amin’ ny taranak’ i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’ i Davida?Select John 7:42
43Dia nisara-tsaina ny amin’ i Jesosy ny vahoaka.Select John 7:43
44Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.Select John 7:44
45Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?Select John 7:45
46Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.Select John 7:46
47Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?Select John 7:47
48Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?Select John 7:48
49Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.Select John 7:49
50Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin’ i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:Select John 7:50
51Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?Select John 7:51
52Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.Select John 7:52
53[Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;Select John 7:53
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation