Skip to content
Church.wiki
John

John 8

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva.Select John 8:1

2Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan’ ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy.Select John 8:2

3Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,Select John 8:3

4dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga.Select John 8:4

5Ary ao amin’ ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany; fa ahoana kosa hoy Hianao?Select John 8:5

6Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin’ ny tany tamin’ ny rantsan-tànany.Select John 8:6

7Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.Select John 8:7

8Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ ny tany tamin’ ny rantsan-tànany.Select John 8:8

9Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin’ ny zokinjokiny ka hatramin’ ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo.Select John 8:9

10Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?Select John 8:10

11Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony.]Select John 8:11

12Ary Jesosy niteny tamin’ ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina.Select John 8:12

13Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.Select John 8:13

14Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.Select John 8:14

15Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.Select John 8:15

16Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy.Select John 8:16

17Ary voasoratra ao amin’ ny lalànareo fa marina ny fanambaran’ ny olona roa lahy.Select John 8:17

18Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.Select John 8:18

19Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.Select John 8:19

20Izany teny izany no nolazain’ i Jesosy teo akaikin’ ny fandatsahan-drakitra, raha nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.Select John 8:20

21Ary hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho, ary hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ ny fahotanareo; izay alehako tsy azonareo haleha.Select John 8:21

22Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena va Izy, no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?Select John 8:22

23Fa hoy Izy taminy; Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin’ izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin’ izao tontolo izao;Select John 8:23

24koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ ny fahotanareo ianareo.Select John 8:24

25Dia hoy ireo taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ ny voalohany.Select John 8:25

26Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’ izao tontolo izao.Select John 8:26

27Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy,Select John 8:27

28ka dia hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak’ olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.Select John 8:28

29Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.Select John 8:29

30Raha nanao izany teny izany Jesosy, dia maro no nino Azy.Select John 8:30

31Dia hoy Jesosy tamin’ ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;Select John 8:31

32ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.Select John 8:32

33Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak’ i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon’ olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?Select John 8:33

34Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ ny ota.Select John 8:34

35Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva.Select John 8:35

36Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.Select John 8:36

37Fantatro ihany fa taranak’ i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.Select John 8:37

38Izay efa hitako tamin’ ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin’ ny rainareo.Select John 8:38

39Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak’ i Abrahama ianareo, dia ny asan’ i Abrahama no hataonareo.Select John 8:39

40Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin’ Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama.Select John 8:40

41Hianareo manao ny asan’ ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin’ ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.Select John 8:41

42Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin’ Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.Select John 8:42

43Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.Select John 8:43

44Hianareo avy tamin’ ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ ny lainga.Select John 8:44

45Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo.Select John 8:45

46Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?Select John 8:46

47Izay avy amin’ Andriamanitra dia mihaino ny tenin’ Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin’ Andriamanitra ianareo.Select John 8:47

48Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?Select John 8:48

49Jesosy namaly hoe: Izaho tsy manana demonia, fa mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy.Select John 8:49

50Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy Iray mitady sy mitsara.Select John 8:50

51Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.Select John 8:51

52Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.Select John 8:52

53Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao?Select John 8:53

54Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.Select John 8:54

55Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny.Select John 8:55

56Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.Select John 8:56

57Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an’ i Abrahama va?Select John 8:57

58Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.Select John 8:58

59Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan’ ny tempoly.Select John 8:59

Next: John 9Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

John

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.