Joshua 13
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.Select Joshua 13:1
2Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an’ ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,Select Joshua 13:2
3hatrany Sihora, izay atsinanan’ i Egypta, ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an’ ny Kananita, ireo andriana dimy amin’ ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny AvitaSelect Joshua 13:3
4any atsimo, dia ny tanin’ ny Kananita rehetra sy Meara, izay an’ ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatramin’ ny fari-tanin’ ny Amorita,Select Joshua 13:4
5ary ny tanin’ ny Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo am-bodin’ ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin’ i Hamata,Select Joshua 13:5
6ary ny mponina rehetra any amin’ ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-mamia, dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin’ ny filokana ho lovan’ ny Zanak’ Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.Select Joshua 13:6
7Ary ankehitriny zarao izao tany izao ho lovan’ ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase.Select Joshua 13:7
8Ary niaraka tamin’ ireo koa no nahazoan’ ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen’ i Mosesy azy any an-dafy atsinanan’ i Jordana, araka izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy,Select Joshua 13:8
9dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,Select Joshua 13:9
10ary ny tanàna rehetra izay an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatramin’ ny faritanin’ ny taranak’ i Amona,Select Joshua 13:10
11ary Gileada sy ny tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka,Select Joshua 13:11
12dia ny fanjakana rehetra an’ i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin’ ny Refaïta); fa resin’ i Mosesy ireny ka noroahiny.Select Joshua 13:12
13Kanefa tsy mba noroahin’ ny Zanak’ Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita.Select Joshua 13:13
14Ny firenen’ i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.Select Joshua 13:14
15Ary nomen’ i Mosesy lova ny firenena taranak’ i Robena araka ny fokonySelect Joshua 13:15
16Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,Select Joshua 13:16
17dia Hesbona sy ny tanànany rehetra, izay eo amin’ ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meonaSelect Joshua 13:17
18sy Jahaza sy Kedemota sy MefataSelect Joshua 13:18
19sy Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin’ ny tendrombohitra ao an-dohasaha,Select Joshua 13:19
20sy Beti-peora sy ny ao am-bodin’ i Pisga ary Beti-jesimotaSelect Joshua 13:20
21ary ny tanàna rehetra any amin’ ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin’ i Mosesy izy sy ireo andrianan’ ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an’ i Sihona ka nitoetra teo amin’ ny tany.Select Joshua 13:21
22Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak’ i Beora, dia novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra niaraka tamin’ izay novonoiny.Select Joshua 13:22
23Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Robena dia ny amoron’ i Jordana. Izay no lovan’ ny taranak’ i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.Select Joshua 13:23
24Ary nomen’ i Mosesy koa ny firenen’ i Gada, dia ny taranak’ i Gada araka ny fokony.Select Joshua 13:24
25Ary ny faritaniny dia Jazera sy ny tanàna rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin’ ny taranak’ i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin’ i Raba,Select Joshua 13:25
26ary hatrany Hesbona ka hatrany Ramatamizpa sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin’ ny faritanin’ i Debira;Select Joshua 13:26
27ary teo amin’ ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin’ ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy ny amoron’ i Jordana hatramin’ ny amoron’ ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan’ i Jordana.Select Joshua 13:27
28Izany no lovan’ ny taranak’ i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.Select Joshua 13:28
29Ary nomen’ i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen’ i Manase; ary izao no an’ ny antsasaky ny firenena taranak’ i Manase araka ny fokony:Select Joshua 13:29
30Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an’ i Jaïra, izay any Basana, dia tanàna enim-polo.Select Joshua 13:30
31Ary ny antsasak’ i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin’ ny fanjakan’ i Oga any Basana, dia an’ ny taranak’ i Makira, zanak’ i Manase, dia ho an’ ny antsasaky ny taranak’ i Makira araka ny fokony.Select Joshua 13:31
32Ireo no voazaran’ i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.Select Joshua 13:32
33Ary ny firenen’ i Levy tsy mba nomen’ i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy.Select Joshua 13:33
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation