Joshua 19
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary ny loka faharoa dia azon’ i Simeona, dia ny firenena taranak’ i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin’ ny lovan’ ny taranak’ i Joda.Select Joshua 19:1
2Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy MoladaSelect Joshua 19:2
3sy Hazara-soala sy Bala sy AzemaSelect Joshua 19:3
4sy Eltolada sy Betola sy HormaSelect Joshua 19:4
5sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosaSelect Joshua 19:5
6sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;Select Joshua 19:6
7sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;Select Joshua 19:7
8ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin’ ny tany atsimo. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Simeona araka ny fotony.Select Joshua 19:8
9Avy tamin’ ny anjaran’ ny taranak’ i Joda no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ ny taranak’ i Joda, ka izany no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona anjara tao anatin’ ny azy.Select Joshua 19:9
10Ary ny loka fahatelo dia azon’ ny taranak’ i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin’ ny lovany dia hatrany Sarida,Select Joshua 19:10
11dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an’ i Dabeseta ka nihatra tamin’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ i Jokneama,Select Joshua 19:11
12dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,Select Joshua 19:12
13dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an’ i Nea,Select Joshua 19:13
14dia niolaka eo avaratr’ iny ka nahazo an’ i Hanatona, dia nihatra tamin’ ny lohasaha Jifta-ela.Select Joshua 19:14
15Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.Select Joshua 19:15
16Izany no lovan’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.Select Joshua 19:16
17Ary ny loka fahefatra dia azon’ Isakara, dia ny taranak’ Isakara isam-pokony.Select Joshua 19:17
18Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy SonemaSelect Joshua 19:18
19sy Hafraima sy Siona sy AnaharataSelect Joshua 19:19
20sy Rabita sy Kisiona sy AbezaSelect Joshua 19:20
21sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.Select Joshua 19:21
22Ary ny fari-taniny dia nahazo an’ i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.Select Joshua 19:22
23Izany no lovan’ ny firenena taranak’ Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.Select Joshua 19:23
24Ary ny loka fahadimy dia azon’ ny firenena taranak’ i Asera isam-pokony.Select Joshua 19:24
25Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy AksafaSelect Joshua 19:25
26sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,Select Joshua 19:26
27dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankaviaSelect Joshua 19:27
28ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,Select Joshua 19:28
29dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina teo akaikin’ ny tany AkzibaSelect Joshua 19:29
30ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.Select Joshua 19:30
31Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.Select Joshua 19:31
32Ary ny loka fahenina dia an’ ny taranak’ i Naftaly isam-pokony.Select Joshua 19:32
33Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin’ ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an’ i Jordana,Select Joshua 19:33
34dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an’ i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron’ i Jordana eo atsinanana.Select Joshua 19:34
35Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy KineretaSelect Joshua 19:35
36sy Adama sy Rama sy HazoraSelect Joshua 19:36
37sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazoraSelect Joshua 19:37
38sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.Select Joshua 19:38
39Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.Select Joshua 19:39
40Ary ny loka fahafito dia an’ ny firenena taranak’ i Dana isam-pokony.Select Joshua 19:40
41Ary ny fari-tanin’ ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesySelect Joshua 19:41
42sy Salabima sy Aialona sy JitlaSelect Joshua 19:42
43sy Elona sy Timna sy EkronaSelect Joshua 19:43
44sy Elteke sy Gibetona sy BaletaSelect Joshua 19:44
45sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimonaSelect Joshua 19:45
46sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin’ i Jopa.Select Joshua 19:46
47Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’ i Dana, dia niady tamin’ i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’ i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’ i Dana rainy.Select Joshua 19:47
48Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.Select Joshua 19:48
49Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak’ i Nona.Select Joshua 19:49
50Araka ny tenin’ i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin’ ny tany havoan’ i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.Select Joshua 19:50
51Ireo no lova izay nozarain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.Select Joshua 19:51
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation