Joshua 2
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.Select Joshua 2:1
2Ary nisy nilaza tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.Select Joshua 2:2
3Dia naniraka tao amin’ i Rahaba ny mpanjakan’ i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.Select Joshua 2:3
4Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;Select Joshua 2:4
5ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.Select Joshua 2:5
6Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ ny tampon-trano.Select Joshua 2:6
7Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin’ ny lalana mankany Jordana hatrany amin’ ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.Select Joshua 2:7
8Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavySelect Joshua 2:8
9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.Select Joshua 2:9
10Fa efa renay ny nanamainan’ i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.Select Joshua 2:10
11Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany.Select Joshua 2:11
12Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin’ i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ ny ankohonan’ ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky ahoSelect Joshua 2:12
13fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.Select Joshua 2:13
14Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’ i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.Select Joshua 2:14
15Dia nampidina azy tamin’ ny mahazaka avy teo amin’ ny varavarankely izy; fa teo amin’ ny màndan’ ny tanàna ny tranony, ary teo amin’ ny manda no nitoerany.Select Joshua 2:15
16Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin’ izay halehanareo.Select Joshua 2:16
17Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin’ izany fianianana nampianianinao anay izany:Select Joshua 2:17
18Indro, rehefa tonga eto amin’ ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin’ ny ankohonan’ ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;Select Joshua 2:18
19ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;Select Joshua 2:19
20fa raha tàhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin’ ny fianianana izay nampianianinao anay izahay.Select Joshua 2:20
21Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin’ ny varavarankely ilay kofehy jaky.Select Joshua 2:21
22Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin’ ny mpanenjika; ary nitady azy tamin’ ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.Select Joshua 2:22
23Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,Select Joshua 2:23
24ka hoy izy tamin’ i Josoa: Efa natolotr’ i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra antsika.Select Joshua 2:24
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain