Skip to content
Church.wiki
Joshua

Joshua 20

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Josoa ka nanao hoe:Select Joshua 20:1

2Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Fidio ny tanàna fandosirana izay nasaiko nolazain’ i Mosesy taminareo,Select Joshua 20:2

3handosiran’ izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon’ ny mpamaly ràSelect Joshua 20:3

4Ary raha misy mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan’ ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan’ ny loholona amin’ izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy.Select Joshua 20:4

5Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.Select Joshua 20:5

6Dia hitoetra ao amin’ izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan’ ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin’ izay mpisoronabe amin’ izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.Select Joshua 20:6

7Dia nanokana an’ i Kadesy any Galilia any amin’ ny tany havoan’ i Naftaly izy sy Sekema any amin’ ny tany havoan’ i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin’ ny tany havoan’ i Joda.Select Joshua 20:7

8Ary dia nifidy an’ i Bezera any an-efitra amin’ ny tany lemaka izay an’ ny firenen’ i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an’ ny firenen’ i Gada, ary Golana any Basana, izay an’ ny firenen’ i Manase, any an-dafy atsinanan’ i Jordana, tandrifin’ i Jeriko.Select Joshua 20:8

9Ireo no tanàna voafidy ho an’ ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’ izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ ny tanan’ ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan’ ny fiangonana.Select Joshua 20:9

Next: Joshua 21Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Joshua

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.