Skip to content
Church.wiki
Joshua

Joshua 23

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa ela, taorian’ ny nanomezan’ i Jehovah fitsaharana ho an’ ny Isiraely ho afaka amin’ ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,Select Joshua 23:1

2dia nantsoin’ i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,Select Joshua 23:2

3ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.Select Joshua 23:3

4Indreo, efa voazarako ho lovan’ ny firenenareo tamin’ ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe andrefana.Select Joshua 23:4

5Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.Select Joshua 23:5

6Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia,Select Joshua 23:6

7mba tsy hankanesanareo any amin’ ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran’ ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;Select Joshua 23:7

8fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.Select Joshua 23:8

9Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.Select Joshua 23:9

10Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.Select Joshua 23:10

11Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo.Select Joshua 23:11

12Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,Select Joshua 23:12

13dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin’ ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin’ ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.Select Joshua 23:13

14Ary, indro, efa handeha ho amin’ ny lalana falehan’ ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.Select Joshua 23:14

15Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’ i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.Select Joshua 23:15

16Amin’ izay hivadihanareo ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa nomeny anareo.Select Joshua 23:16

Next: Joshua 24Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Joshua

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.