Skip to content
Church.wiki
Judges

Judges 2

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ ny tany izay nianianako tamin’ ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;Select Judges 2:1

2koa aza manao fanekena amin’ ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?Select Judges 2:2

3Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin’ ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.Select Judges 2:3

4Ary nony niteny izany teny izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.Select Judges 2:4

5Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.Select Judges 2:5

6Ary rehefa nampodin’ i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin’ ny lovany avy ny Zanak’ Isiraely rehetra handova ny tany.Select Judges 2:6

7Ary nanompo an’ i Jehovah ny vahoaka tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josoa sy tamin’ ny andro rehetra niainan’ ny loholona izay velona taorian’ i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely.Select Judges 2:7

8Ary maty Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.Select Judges 2:8

9Dia nalevina tao anatin’ ny fari-tanin’ ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.Select Judges 2:9

10Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an’ i Jehovah na ny asa efa nataony ho an’ ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.Select Judges 2:10

11Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, fa nanompo ireo BalaSelect Judges 2:11

12ka nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin’ ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’ i Jehovah.Select Judges 2:12

13Eny, nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanampo an’ i Bala sy Astarta.Select Judges 2:13

14Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.Select Judges 2:14

15Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan’ i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.Select Judges 2:15

16Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ ny tànan’ ireo namabo azy.Select Judges 2:16

17Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin’ ny lalana izay nandehanan’ ny razany nanaraka ny didin’ i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.Select Judges 2:17

18Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ ny tanan’ ny fahavalony tamin’ ny andro rehetra niainan’ izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin’ ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.Select Judges 2:18

19Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon’ ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin’ ny fanaony na tamin’ ny lalana nanaovany ditra izy.Select Judges 2:19

20Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,Select Judges 2:20

21dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin’ ny firenena izay tsy mbola resy hatramin’ ny andro nahafatesan’ i Josoa,Select Judges 2:21

22mba hizahako toetra ny Isiraely amin’ ireny, na hitandrina ny lalan’ i Jehovah ka handeha amin’ izany araka izay nitandreman’ ny razany izany izy, na tsia.Select Judges 2:22

23Dia navelan’ i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan’ i Josoa ireny.Select Judges 2:23

Next: Judges 3Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Judges

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.