Judges 21
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin’ ny Benjamita.Select Judges 21:1
2Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan’ Andriamanitra mandra-paharivan’ ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafySelect Judges 21:2
3nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin’ ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin’ ny Isiraely?Select Judges 21:3
4Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.Select Judges 21:4
5Ary hoy ny Zanak’ Isiraely: Iza amin’ ny ferenen’ Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin’ ny fiangonana hanatona an’ i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin’ izay tsy niakatra ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.Select Judges 21:5
6Ary ny Zanak’ Isiraely nanenina ny amin’ i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin’ ny Isiraely ankehitriny.Select Judges 21:6
7Ahoana no hataontsika amin’ ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin’ i Jehovah tsy hanome vady azy amin’ ny zanakavavintsika?Select Judges 21:7
8Dia hoy izy: Iza amin’ ny firenen’ Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ ny fiangonana.Select Judges 21:8
9Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin’ ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.Select Judges 21:9
10Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin’ ny lelan-tsabatra mbamin’ ny zaza amim-behivavy.Select Judges 21:10
11Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo.Select Judges 21:11
12Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin’ ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin’ ny tany Kanana.Select Judges 21:12
13Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin’ ny taranak’ i Benjamina, izay tao amin’ ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.Select Judges 21:13
14Dia niverina tamin’ izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin’ ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.Select Judges 21:14
15Ary ny olona nanenina noho ny amin’ i Benjamina, satria nisy nobangain’ i Jehovah ny firenen’ Isiraely.Select Judges 21:15
16Dia hoy ny loholon’ ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an’ ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin’ ny Benjamita?Select Judges 21:16
17Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin’ ny Isiraely.Select Judges 21:17
18Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an’ ny Benjamita.Select Judges 21:18
19Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’ i Jehovah any Silo, izay avaratr’ i Betela, atsinanan’ ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon’ i Lebona.Select Judges 21:19
20Ary nandidy ny taranak’ i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin’ ny tanim-boaloboka,Select Judges 21:20
21ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin’ ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin’ ny tanin’ ny Benjamina indray.Select Judges 21:21
22Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.Select Judges 21:22
23Dia nanao izany ny taranak’ i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin’ ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.Select Judges 21:23
24Dia samy nandeha niala teo ny Zanak’ Isiraely tamin’ izany andro izany, samy ho any amin’ ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin’ ny lovany avy ny olona rehetra.Select Judges 21:24
25Tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.Select Judges 21:25
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain