Lamentations 3
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ ny tsorakazon’ ny fahatezerany.Select Lamentations 3:1
2Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ ny maizina, fa tsy ho amin’ ny mazava.Select Lamentations 3:2
3Izaho ihany no asian’ ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.Select Lamentations 3:3
4Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.Select Lamentations 3:4
5Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ ny zava-mangidy sy ny fahoriana.Select Lamentations 3:5
6Ampitoeriny ao amin’ ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.Select Lamentations 3:6
7Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.Select Lamentations 3:7
8Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.Select Lamentations 3:8
9Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.Select Lamentations 3:9
10Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena;Select Lamentations 3:10
11Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.Select Lamentations 3:11
12Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.Select Lamentations 3:12
13Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin’ ny voako Izy.Select Lamentations 3:13
14Tonga fihomehezan’ ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.Select Lamentations 3:14
15Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.Select Lamentations 3:15
16Ary notorotoroiny tamin’ ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ ny lavenona aho.Select Lamentations 3:16
17Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.Select Lamentations 3:17
18Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’ i Jehovah.Select Lamentations 3:18
19Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.Select Lamentations 3:19
20Tsaroan’ ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.Select Lamentations 3:20
21Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.Select Lamentations 3:21
22Ny famindram-pon’ i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.Select Lamentations 3:22
23Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.Select Lamentations 3:23
24Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.Select Lamentations 3:24
25Tsara Jehovah amin’ izay manantena Azy, dia amin’ ny olona izay mitady Azy.Select Lamentations 3:25
26Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana.Select Lamentations 3:26
27Tsara amin’ ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.Select Lamentations 3:27
28Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.Select Lamentations 3:28
29Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.Select Lamentations 3:29
30Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.Select Lamentations 3:30
31Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;Select Lamentations 3:31
32Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindram-pony.Select Lamentations 3:32
33Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’ olombelona.Select Lamentations 3:33
34Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ ny tany ho eo ambanin’ ny tongotra,Select Lamentations 3:34
35Ny familiana ny rariny amin’ ny olona eo anatrehan’ ny Avo Indrindra,Select Lamentations 3:35
36Ny famadihana ny adin’ ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.Select Lamentations 3:36
37Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo?Select Lamentations 3:37
38Tsy avy amin’ ny vavan’ ny Avo Indrindra va no ivoahan’ ny soa sy ny loza?Select Lamentations 3:38
39Koa ahoana no imonomononan’ ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ ny fahotany avy?Select Lamentations 3:39
40Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah.Select Lamentations 3:40
41Aoka hasandratsika amin’ Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.Select Lamentations 3:41
42Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.Select Lamentations 3:42
43Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.Select Lamentations 3:43
44Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.Select Lamentations 3:44
45Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ ny firenena izahay.Select Lamentations 3:45
46Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.Select Lamentations 3:46
47Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.Select Lamentations 3:47
48Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko noho ny faharatran’ ny oloko zanakavavy.Select Lamentations 3:48
49Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,Select Lamentations 3:49
50Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.Select Lamentations 3:50
51Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra.Select Lamentations 3:51
52Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.Select Lamentations 3:52
53Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.Select Lamentations 3:53
54Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity!Select Lamentations 3:54
55Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.Select Lamentations 3:55
56Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.Select Lamentations 3:56
57Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.Select Lamentations 3:57
58Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.Select Lamentations 3:58
59Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.Select Lamentations 3:59
60Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahySelect Lamentations 3:60
61Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,Select Lamentations 3:61
62Dia ny molotr’ izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.Select Lamentations 3:62
63Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.Select Lamentations 3:63
64Hovalianao araka ny asan’ ny tànany izy, Jehovah ô.Select Lamentations 3:64
65Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.Select Lamentations 3:65
66Henjehinao amin’ ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ ny lanitr’ i Jehovah.Select Lamentations 3:66
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation