Skip to content
Church.wiki
Leviticus

Leviticus 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jehovah niantso an’ i Mosesy ka niteny taminy tao amin’ ny trano-lay fihaonana hoe:Select Leviticus 1:1

2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.Select Leviticus 1:2

3Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah izy.Select Leviticus 1:3

4Ary hametraka ny tànany eo amin’ ny lohan’ ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.Select Leviticus 1:4

5Dia hamono ny zanak’ omby eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;Select Leviticus 1:5

6ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.Select Leviticus 1:6

7Ary ireo zanak’ i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ ny afo.Select Leviticus 1:7

8Ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin’ ny lohany sy ny saborany eo ambonin’ ny kitay eo amin’ ny afo izay eo ambonin’ ny alitara;Select Leviticus 1:8

9fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia hodoran’ ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin’ ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 1:9

10Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.Select Leviticus 1:10

11Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.Select Leviticus 1:11

12Dia horasainy tsara izy mbamin’ ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin’ ny kitay izy eo amin’ ny afo izay eo ambonin’ ny alitara;Select Leviticus 1:12

13fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia ho entin’ ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 1:13

14Ary raha vorona no ateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.Select Leviticus 1:14

15Ary haterin’ ny mpisorona ho eo amin’ ny alitara izany, ka hotapahiny amin’ ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ary hofiazany eo amin’ ny rindrin’ ny alitara ny ràny;Select Leviticus 1:15

16ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan’ ny alitara, dia eo amin’ ny fitoeran-davenona;Select Leviticus 1:16

17ary hosamahany amin’ ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny kitay izay eo amin’ ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 1:17

Next: Leviticus 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Leviticus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.