Leviticus 12
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 12:1
2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan’ anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin’ ny fadim-bolany no hahalotoany.Select Leviticus 12:2
3Ary amin’ ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.Select Leviticus 12:3
4Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin’ ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masìna izy, na hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.Select Leviticus 12:4
5Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin’ ny ràny izay mahadio azy.Select Leviticus 12:5
6Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin’ ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak’ ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ho eo amin’ ny mpisorona ireo.Select Leviticus 12:6
7Ary izy hanatitra izany eo anatrehan’ i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin’ ny fandehanan’ ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin’ ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.Select Leviticus 12:7
8Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.Select Leviticus 12:8
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation