Skip to content
Church.wiki
Leviticus

Leviticus 15

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:Select Leviticus 15:1

2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.Select Leviticus 15:2

3Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany.Select Leviticus 15:3

4Maloto ny fandriana rehetra izay andrian’ ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.Select Leviticus 15:4

5Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:5

6Ary izay mipetraka amin’ ny zavatra izay efa nipetrahan’ ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:6

7Ary izay mikasika ny tenan’ ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:7

8Ary raha misy olona madio voaroran’ ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny androSelect Leviticus 15:8

9Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan’ ny marary mitsika.Select Leviticus 15:9

10Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:10

11Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin’ ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:11

12Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin’ ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.Select Leviticus 15:12

13Ary raha sitrana amin’ ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin’ ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano mandeha izy, dia hadio.Select Leviticus 15:13

14Ary amin’ ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin’ ny mpisorona izy.Select Leviticus 15:14

15Dia haterin’ ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.Select Leviticus 15:15

16Ary raha miala amin’ ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin’ ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ ny andro;Select Leviticus 15:16

17ary hosasana amin’ ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan’ ny azy; dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izany.Select Leviticus 15:17

18Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin’ ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:18

19Ary raha misy vehivavy mararin’ ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:19

20Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin’ ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.Select Leviticus 15:20

21Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:21

22Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:22

23Ary raha ao amin’ ny fandriana izany, na ao amin’ ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:23

24Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.Select Leviticus 15:24

25Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin’ ny andro fahalotoany amin’ ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin’ ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin’ ny andron’ ny faharariany rehetra, tahaka ny amin’ ny andro fahalotoany ihany.Select Leviticus 15:25

26Ny fandriana rehetra andriany amin’ ny andron’ ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin’ ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin’ ny fadim-bolany.Select Leviticus 15:26

27Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.Select Leviticus 15:27

28Fa raha sitrana amin’ ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.Select Leviticus 15:28

29Ary amin’ ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin’ ny mpisorona, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.Select Leviticus 15:29

30Dia haterin’ ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.Select Leviticus 15:30

31Dia hampisarahinareo amin’ ny fahalotoany ny Zanak’ Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.Select Leviticus 15:31

32Izany no lalàna ny amin’ ny marary mitsika, sy ny amin’ izay ialan’ ny azy, ka mahaloto azy izany,Select Leviticus 15:32

33ary ny amin’ ny mararin’ ny fadim-bolany, ary ny amin’ ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin’ izay mandry amin’ ny vehivavy maloto.Select Leviticus 15:33

Next: Leviticus 16Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Leviticus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.