Leviticus 18
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 18:1
2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:Select Leviticus 18:2
3Aza manao araka ny fanaon’ ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon’ ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.Select Leviticus 18:3
4Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 18:4
5Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’ izany izy: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 18:5
6Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 18:6
7Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.Select Leviticus 18:7
8Aza mandry amin’ ny renikelinao; fa nandrian’ ny rainao izy.Select Leviticus 18:8
9Aza mandry amin’ ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.Select Leviticus 18:9
10Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin’ ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian’ izy roa.Select Leviticus 18:10
11Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.Select Leviticus 18:11
12Aza mandry amin’ ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.Select Leviticus 18:12
13Aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.Select Leviticus 18:13
14Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin’ ny rahalahin-drainao izy.Select Leviticus 18:14
15Aza mandry amin’ ny vinantovavinao; fa vadin’ ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.Select Leviticus 18:15
16Aza mandry amin’ ny vadin-drahalahinao; fa nandrian’ ny rahalahinao izy.Select Leviticus 18:16
17Aza mandry amin’ ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin’ ny zananilahy, na ny zanakavavin’ ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.Select Leviticus 18:17
18Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin’ ny rahavaviny izay mbola velona.Select Leviticus 18:18
19Ary aza mila vehivavy mararin’ ny fadim-bolany handry aminy.Select Leviticus 18:19
20Ary aza mandry amin’ ny vadin’ ny namanao, handoto ny tenanao aminy.Select Leviticus 18:20
21Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’ i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 18:21
22Aza mandry amin’ ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.Select Leviticus 18:22
23Ary aza mandry amin’ ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian’ ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.Select Leviticus 18:23
24Aza mandoto ny tenanareo amin’ izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.Select Leviticus 18:24
25Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ ny tany ny mponina eo.Select Leviticus 18:25
26Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareoSelect Leviticus 18:26
27(fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),Select Leviticus 18:27
28mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.Select Leviticus 18:28
29Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.Select Leviticus 18:29
30Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’ izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 18:30
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation