Leviticus 19
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 19:1
2Mitenena amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masìna ianareo, satria masìna Aho, Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 19:2
3Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 19:3
4Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 19:4
5Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah ianareo, dia ataovy amin’ izay hankasitrahana anareo izany.Select Leviticus 19:5
6Amin’ izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin’ ny ampitson’ ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin’ ny afo izany.Select Leviticus 19:6
7Ary raha hanina amin’ ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana;Select Leviticus 19:7
8fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin’ i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izany olona izany.Select Leviticus 19:8
9Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao.Select Leviticus 19:9
10Ary aza otazana avokoa ny eo amin’ ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ ny sahanao; fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 19:10
11Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga.Select Leviticus 19:11
12Aza mianian-tsy tò amin’ ny anarako, na manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 19:12
13Aza manao an-keriny amin’ ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman’ izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.Select Leviticus 19:13
14Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan’ ny jamba; fa matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 19:14
15Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana; aza miandany foana amin’ ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.Select Leviticus 19:15
16Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ ny namanao: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 19:16
17Aza mankahala ny rahalahinao amin’ ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.Select Leviticus 19:17
18Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 19:18
19Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin’ ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin’ ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho.Select Leviticus 19:19
20Ary raha misy mandry amin’ ny andevovavy izay voafofon’ olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy.Select Leviticus 19:20
21Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;Select Leviticus 19:21
22ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin’ ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan’ i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany.Select Leviticus 19:22
23Ary raha tonga any amin’ ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina;Select Leviticus 19:23
24ary amin’ ny taona fahefatra dia ho masìna ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an’ i Jehovah;Select Leviticus 19:24
25fa amin’ ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan’ ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 19:25
26Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro.Select Leviticus 19:26
27Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.Select Leviticus 19:27
28Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin’ ny tenanareo: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 19:28
29Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana.Select Leviticus 19:29
30Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masìna: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 19:30
31Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 19:31
32Mitsangàna raha eo anatrehan’ ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan’ ny anti-panahy, ary matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 19:32
33Ary raha misy mivahiny aminao eo amin’ ny taninareo, aza manao sarotra aminy.Select Leviticus 19:33
34Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 19:34
35Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana, na amin’ ny fandrefesana, na amin’ ny fandanjana, na amin’ ny famarana.Select Leviticus 19:35
36Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.Select Leviticus 19:36
37Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah.Select Leviticus 19:37
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation