Skip to content
Church.wiki
Leviticus

Leviticus 20

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 20:1

2Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’ i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.Select Leviticus 20:2

3Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an’ i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masìna sy hanamavoany ny anarako masìna.Select Leviticus 20:3

4Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an’ i Moloka ny zanany,Select Leviticus 20:4

5dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin’ ny fireneny izy mbamin’ izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’ i Moloka.Select Leviticus 20:5

6Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny izy.Select Leviticus 20:6

7Dia manamasìna ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masìna ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Select Leviticus 20:7

8Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasìna anareo.Select Leviticus 20:8

9Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany.Select Leviticus 20:9

10Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ ny vadin’ olona, dia izay mijangajanga amin’ ny vadin’ ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.Select Leviticus 20:10

11Ary ny olona izay mandry amin’ ny vadin-drainy dia efa nandry tamin’ izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.Select Leviticus 20:11

12Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany.Select Leviticus 20:12

13Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny lehilahy, tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany.Select Leviticus 20:13

14Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin’ ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.Select Leviticus 20:14

15Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa.Select Leviticus 20:15

16Ary raha misy vehivavy manatona handry amin’ ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.Select Leviticus 20:16

17Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin’ ny rainy, na zanakavavin’ ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason’ ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin’ ny anabaviny ralehilahy ka meloka.Select Leviticus 20:17

18Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan’ ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan’ ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy roroa.Select Leviticus 20:18

19Ary aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao, na amin’ ny anabavin-drainao; fa mandry amin’ ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka.Select Leviticus 20:19

20Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vadin’ ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.Select Leviticus 20:20

21Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin’ izay nandrian’ ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.Select Leviticus 20:21

22Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.Select Leviticus 20:22

23Ary aza manaraka ny fanaon’ ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako.Select Leviticus 20:23

24Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ ny firenena samy hafa.Select Leviticus 20:24

25Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin’ ny biby, na amin’ ny vorona, na amin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.Select Leviticus 20:25

26Ary aoka ho masìna ho Ahy ianareo, satria masìna Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.Select Leviticus 20:26

27Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.Select Leviticus 20:27

Next: Leviticus 21Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Leviticus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.