Skip to content
Church.wiki
Leviticus

Leviticus 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’ i Jehovah.Select Leviticus 3:1

2Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.Select Leviticus 3:2

3Dia hangalan’ ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainySelect Leviticus 3:3

4sy ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany.Select Leviticus 3:4

5Ary ireo zanak’ i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ ny alitara miaraka amin’ ny fanatitra dorana izay eo ambonin’ ny kitay eo amin’ ny afo; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.Select Leviticus 3:5

6Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny.Select Leviticus 3:6

7Raha zanak’ ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah izy.Select Leviticus 3:7

8Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’ i Arona hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.Select Leviticus 3:8

9Ary hangalan’ ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin’ ny faran’ ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainySelect Leviticus 3:9

10ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany.Select Leviticus 3:10

11Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; hanina avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.Select Leviticus 3:11

12Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah izy.Select Leviticus 3:12

13Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’ i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.Select Leviticus 3:13

14Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainySelect Leviticus 3:14

15ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany.Select Leviticus 3:15

16Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; hanina avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an’ i Jehovah ny sabora rehetra.Select Leviticus 3:16

17Izao no ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby eny amin’ izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.Select Leviticus 3:17

Next: Leviticus 4Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Leviticus

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.