Skip to content
Church.wiki
Leviticus

Leviticus 5

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary raha misy manota, satria mandre ny feon’ ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany,Select Leviticus 5:1

2na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin’ ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin’ ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin’ ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,Select Leviticus 5:2

3na misy mikasika ny fahalotoan’ olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,Select Leviticus 5:3

4na misy mianiana ka miteniteny foana amin’ ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin’ ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin’ ny anankiray amin’ ireo izy:Select Leviticus 5:4

5koa raha meloka amin’ ny anankiray amin’ ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany,Select Leviticus 5:5

6ary hitondra ny saziny ho an’ i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany.Select Leviticus 5:6

7Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an’ i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.Select Leviticus 5:7

8Dia hitondra ireo ho eo amin’ ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin’ ny hoho ny lohany ho afaka amin’ ny vozony, fa tsy hohenteriny izy.Select Leviticus 5:8

9Ary hamafazany eo amin’ ny rindrin’ ny alitara ny ran’ ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa hofiazany eo am-bodin’ ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany.Select Leviticus 5:9

10Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.Select Leviticus 5:10

11Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.Select Leviticus 5:11

12Dia hitondra azy ho eo amin’ ny mpisorona izy, ary handraofan’ ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara miaraka amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.Select Leviticus 5:12

13Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin’ ny anankiray amin’ ireo, dia havela ny helony; ary ho an’ ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.Select Leviticus 5:13

14Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 5:14

15Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ ny zava-masin’ i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masìna, ho fanati-panonerana.Select Leviticus 5:15

16Ary izay efa nanotany ny amin’ ny zava-masìna dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin’ ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin’ ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.Select Leviticus 5:16

17Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,Select Leviticus 5:17

18dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony;Select Leviticus 5:18

19dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin’ i Jehovah tokoa izy.Select Leviticus 5:19

20Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 5:20

21Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’ i Jehovah, fa mandainga amin’ ny namany ny amin’ izay nampitehirizina azy, na amin’ ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin’ izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany,Select Leviticus 5:21

22na nahita izay zavatra very ka mandainga amin’ izany sady mianian-tsy tò ny amin’ izay mety ho fahotan’ ny olona,Select Leviticus 5:22

23satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin’ ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany,Select Leviticus 5:23

24na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin’ ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.Select Leviticus 5:24

25Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an’ i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ ny mpisorona.Select Leviticus 5:25

26Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.Select Leviticus 5:26

Next: Leviticus 6Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Leviticus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.