Skip to content
Church.wiki
Leviticus

Leviticus 7

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-panonerana: masìna dia masìna izany.Select Leviticus 7:1

2Eo amin’ izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.Select Leviticus 7:2

3Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainySelect Leviticus 7:3

4ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany.Select Leviticus 7:4

5Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara ireo ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; dia fanati-panonerana izany.Select Leviticus 7:5

6Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy: masìna dia masìna izany.Select Leviticus 7:6

7Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin’ izy roa: ho an’ ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.Select Leviticus 7:7

8Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin’ ny olona dia hahazo ny hoditr’ izany fanatitra dorana nateriny izany.Select Leviticus 7:8

9Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in’ ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin’ ny vilany fandrahoana, na amin’ ny lapoely, dia ho an’ ilay mpisorona manatitra azy.Select Leviticus 7:9

10Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an’ ny zanak’ i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy.Select Leviticus 7:10

11Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-pihavanana izay haterina ho an’ i Jehovah:Select Leviticus 7:11

12Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin’ ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.Select Leviticus 7:12

13Ary miaraka amin’ ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.Select Leviticus 7:13

14Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah; ho an’ ilay mpisorona manopy ny ran’ ny fanati-pihavanana izany.Select Leviticus 7:14

15Ary ny henan’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.Select Leviticus 7:15

16Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin’ ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson’ iny no hihinanana izay ambiny.Select Leviticus 7:16

17Fa ny sisa amin’ ny henan’ ny fanatitra dia hodorana amin’ ny afo amin’ ny andro fahatelo.Select Leviticus 7:17

18Ary raha tahìny hihinanana amin’ ny andro fahatelo ny henan’ ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’ izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin’ izany dia ho meloka.Select Leviticus 7:18

19Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin’ ny afo; ary ny amin’ ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy;Select Leviticus 7:19

20fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin’ ny fanati-pihavanana, izay an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.Select Leviticus 7:20

21Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan’ olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin’ ny henan’ ny fanati-pihavanana izay an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.Select Leviticus 7:21

22Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 7:22

23Mitenana amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an’ ny omby, na ny an’ ny ondry, nany an’ ny osy.Select Leviticus 7:23

24Ary ny saboran’ ny biby izay maty ho azy sy ny saboran’ izay noviraviraim-biby dila azo atao amin’ ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.Select Leviticus 7:24

25Fa izay rehetra mihinana saboran’ ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.Select Leviticus 7:25

26Ary aza mihinana rà eny amin’ izay rehetra itoeranareo, na ny an’ ny vorona, na ny an’ ny biby fiompy.Select Leviticus 7:26

27Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.Select Leviticus 7:27

28Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 7:28

29Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an’ i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an’ i Jehovah avy amin’ ny fanati-pihavanany.Select Leviticus 7:29

30Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ny saborany mbamin’ ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.Select Leviticus 7:30

31Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an’ i Arona sy ireo zanany.Select Leviticus 7:31

32Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin’ ny fanati-pihavananareo.Select Leviticus 7:32

33Ny anankiray amin’ ny zanak’ i Arona izay manatitra ny ran’ ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.Select Leviticus 7:33

34Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin’ ny Zanak’ Isiraely avy amin’ ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an’ i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin’ ny Zanak’ Isiraely.Select Leviticus 7:34

35Izany no anjaran’ i Arona sy ny zanany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, amin’ ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an’ i Jehovah,Select Leviticus 7:35

36dia izay nandidian’ i Jehovah homena azy avy amin’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby.Select Leviticus 7:36

37Izany no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,Select Leviticus 7:37

38izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy tao amin’ ny tendrombohitra Sinay, tamin’ ny andro izay nandidiany ny Zanak’ Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah, tany an-efitr’ i Sinay.Select Leviticus 7:38

Next: Leviticus 8Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Leviticus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.