Skip to content
Church.wiki
Leviticus

Leviticus 8

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Leviticus 8:1

2Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.Select Leviticus 8:2

3Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.Select Leviticus 8:3

4Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’ i Jehovah azy; dia vory teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny fiangonana.Select Leviticus 8:4

5Ary hoy Mosesy tamin’ ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian’ i Jehovah.Select Leviticus 8:5

6Ary Arona sy ny zanany dia nentin’ i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin’ ny rano.Select Leviticus 8:6

7Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin’ ny efoda taminy izany.Select Leviticus 8:7

8Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.Select Leviticus 8:8

9Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masìna, dia nataony teo anoloana amin’ ny hamama, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Leviticus 8:9

10Ary nalain’ i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy.Select Leviticus 8:10

11Dia namafazany impito teo ambonin’ ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.Select Leviticus 8:11

12Ary nanidinany teo amin’ ny lohan’ i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.Select Leviticus 8:12

13Ary dia nentin’ i Mosesy nanatona koa ny zanak’ i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Leviticus 8:13

14Ary nentiny nanatona koa ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.Select Leviticus 8:14

15Dia novonoiny ny, ary nalain’ i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin’ ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin’ ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.Select Leviticus 8:15

16Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin’ ny fonom-boany, ka nodoran’ i Mosesy ho fofona teo ambonin’ ny alitara ireo.Select Leviticus 8:16

17Fa ny hoditry ny vantotr’ ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin’ ny afo teny ivelan’ ny toby, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Leviticus 8:17

18Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny ondrilahy.Select Leviticus 8:18

19Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara.Select Leviticus 8:19

20Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran’ i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany.Select Leviticus 8:20

21Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin’ ny rano; dia nodoran’ i Mosesy ho fofona teo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Leviticus 8:21

22Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny ondrilahy.Select Leviticus 8:22

23Dia novonoiny iny; ary nangalan’ i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofin’ i Arona ankavanana sy tamin’ ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin’ ny ankihiben-tongony ankavanana.Select Leviticus 8:23

24Ary nentiny nanatona koa ny zanak’ i Arona, ka notentenan’ i Mosesy ny rà ny tendron’ ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin’ i Mosesy manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara.Select Leviticus 8:24

25Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim’ ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana.Select Leviticus 8:25

26Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nangalany iray tamin’ ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin’ ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin’ ny mofo manify ka napetrany teo ambonin’ ny saborany sy ny sorok’ ondry ankavanana.Select Leviticus 8:26

27Dia napetrany teo amin’ ny tànan’ i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.Select Leviticus 8:27

28Dia nalain’ i Mosesy tamin’ ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara niaraka tamin’ ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.Select Leviticus 8:28

29Dia nalain’ i Mosesy koa ny tratran’ ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; anjaran’ i Mosesy avy amin’ ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.Select Leviticus 8:29

30Ary nangalan’ i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin’ ny alitara ka nafafiny tamin’ i Arona sy tamin’ ny fitafiany ary tamin’ ny zanany sy tamin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia nanamasina an’ i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa Izy.Select Leviticus 8:30

31Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ ny mofo izay eo amin’ ny haron’ ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.Select Leviticus 8:31

32Ary izay sisa amin’ ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin’ ny afo.Select Leviticus 8:32

33Ary tsy hiala eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.Select Leviticus 8:33

34Tahaka ny efa natao androany no nandidian’ i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo.Select Leviticus 8:34

35Ary hitoetra eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman’ alina ianareo ka hitandrina izay asain’ i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.Select Leviticus 8:35

36Dia nataon’ i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah ka nampilazainy an’ i Mosesy.Select Leviticus 8:36

Next: Leviticus 9Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Leviticus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.