Skip to content
Church.wiki
Luke

Luke 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa,Select Luke 1:1

2araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ ny voalohany:Select Luke 1:2

3dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,Select Luke 1:3

4mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.Select Luke 1:4

5Tamin’ ny andron’ i Heroda, mpanjakan’ i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan’ ny antokon’ i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin’ ny taranak’ i Arona, Elizabeta no anarany.Select Luke 1:5

6Ary samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ ny Tompo.Select Luke 1:6

7Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.Select Luke 1:7

8Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’ Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan’ ny antokony,Select Luke 1:8

9araka ny fanao amin’ ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ ny tempolin’ ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.Select Luke 1:9

10Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.Select Luke 1:10

11Ary nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy teo ankavanan’ ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.Select Luke 1:11

12Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.Select Luke 1:12

13Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.Select Luke 1:13

14Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin’ ny hahaterahany.Select Luke 1:14

15Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masìna hatrany an-kibon-dreniny aza.Select Luke 1:15

16Ary maro amin’ ny Zanak’ isiraely no hampodiny amin’ i Jehovah Andriamaniny.Select Luke 1:16

17Ary izy handeha eo alohany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tempo.Select Luke 1:17

18Ary hoy Zakaria tamin’ ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.Select Luke 1:18

19Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.Select Luke 1:19

20Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ ny andro hisehoan’ izany zavatra izany, ho valin’ ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin’ ny fotoany.Select Luke 1:20

21Ary ny olona dia niandry an’ i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ ny tempoly.Select Luke 1:21

22Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin’ ny tempoly izy; ary izy nanao baikon’ ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.Select Luke 1:22

23Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.Select Luke 1:23

24Ary taorian’ izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:Select Luke 1:24

25Izao no nataon’ ny Tompo tamiko tamin’ ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin’ ny olona.Select Luke 1:25

26Ary tamin’ ny fahenim-bolana dia nirahin’ Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,Select Luke 1:26

27ho any amin’ ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin’ ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin’ ny taranak’ i Davida; ary ny anaran’ ny virijina dia Maria.Select Luke 1:27

28Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.Select Luke 1:28

29Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’ izany fiarahabana izany.Select Luke 1:29

30Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’ Andriamanitra ianao.Select Luke 1:30

31Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.Select Luke 1:31

32Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy;Select Luke 1:32

33ary hanjaka amin’ ny taranak’ i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.Select Luke 1:33

34Ary hoy Maria tamin’ ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?Select Luke 1:34

35Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masìna ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masìna Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’ Andriamanitra.Select Luke 1:35

36Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.Select Luke 1:36

37Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.Select Luke 1:37

38Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin’ ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.Select Luke 1:38

39Ary Maria niainga tamin’ izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin’ ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;Select Luke 1:39

40ary niditra tao an-tranon’ i Zakaria izy ka niarahaba an’ i Elizabeta.Select Luke 1:40

41Ary rehefa ren’ i Elizabeta ny fiarahaban’ i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masìna Elizabeta,Select Luke 1:41

42dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.Select Luke 1:42

43Avy aiza no ahatongavan’ izao amiko, no mba vangian’ ny renin’ ny Tompoko aho?Select Luke 1:43

44Fa, indro, raha vao ren’ ny sofiko ny feon’ ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.Select Luke 1:44

45Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ ny Tompo taminao.Select Luke 1:45

46Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,Select Luke 1:46

47Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’ Andriamanitra, Mpamonjy ahy;Select Luke 1:47

48Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin’ ny ankehitriny dia hataon’ ny taranaka rehetra ho sambatra aho.Select Luke 1:48

49Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masìna ny anarany.Select Luke 1:49

50Ary ny famindram-pony dia amin’ izay matahotra Azy hatramin’ ny taranaka fara mandimby.Select Luke 1:50

51Nanao asa lehibe tamin’ ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin’ ny fiheveran’ ny fony Izy.Select Luke 1:51

52Nampiala ny lehibe tamin’ ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.Select Luke 1:52

53Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.Select Luke 1:53

54Niahy an’ isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-ponySelect Luke 1:54

55(Araka ny voalazany tamin’ ny razantsika), tamin’ i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.Select Luke 1:55

56Ary Maria nitoetra teo amin’ i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.Select Luke 1:56

57Ary tonga ny andro hahaveloman’ i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.Select Luke 1:57

58Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin’ ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.Select Luke 1:58

59Ary tamin’ ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.Select Luke 1:59

60Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.Select Luke 1:60

61Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin’ ny havanao izay manana izany anarana izany.Select Luke 1:61

62Ary nanao baikon’ ny moana tamin’ ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.Select Luke 1:62

63Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.Select Luke 1:63

64Ary dia nisokatra niaraka tamin’ izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an’ Andriamanitra.Select Luke 1:64

65Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin’ ny tany havoan’ i Jodia rehetra ny lazan’ izany rehetra izany.Select Luke 1:65

66Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan’ ny Tompo nomba azy.Select Luke 1:66

67Ary dia feno ny Fanahy Masìna Zakaria rainy ka naminany hoe:Select Luke 1:67

68Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,Select Luke 1:68

69Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin’ ny taranak’ i Davida mpanompony IzySelect Luke 1:69

70(Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny fahagola),Select Luke 1:70

71Dia famonjena antsika amin’ ny fahavalontsika, sy amin’ ny tànan’ izay rehetra mankahala antsika;Select Luke 1:71

72Manefa famindram-po amin’ ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masìna,Select Luke 1:72

73Dia ny fianianana izay nianianany tamin’ i Abrahama razantsika,Select Luke 1:73

74Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin’ ny fahavalontsika isika,Select Luke 1:74

75Amin’ ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ ny andro rehetra hiainantsika.Select Luke 1:75

76Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.Select Luke 1:76

77Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ ny famelana ny helony,Select Luke 1:77

78Noho ny halehiben’ ny famindram-pon’ Andriamanitsika, izay hiposahan’ ny mazava avy any amin’ ny avo ho antsika.Select Luke 1:78

79Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amin’ ny maizina sy ao amin’ ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin’ ny lalam-piadanana.Select Luke 1:79

80Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan’ ny andro nisehoany tamin’ ny Isiraely.Select Luke 1:80

Next: Luke 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Luke

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.