Luke 11
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jesosy nivavaka tao amin’ ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran’ i Jaona ny mpianany.Select Luke 11:1
2Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.Select Luke 11:2
3Omeo anay isan’ andro izay hanina sahaza ho anay.Select Luke 11:3
4Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy.Select Luke 11:4
5Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho;Select Luke 11:5
6fa ny sakaizako nandeha tamin’ ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;Select Luke 11:6
7ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho?Select Luke 11:7
8Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.Select Luke 11:8
9Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Select Luke 11:9
10Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.Select Luke 11:10
11Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ ny hazandrano?Select Luke 11:11
12ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?Select Luke 11:12
13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masìna ho an’ izay mangataka aminy?Select Luke 11:13
14Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.Select Luke 11:14
15Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan’ ny demonia, no amoahany ny demonia.Select Luke 11:15
16Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.Select Luke 11:16
17Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.Select Luke 11:17
18Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan’ ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia.Select Luke 11:18
19Fa raha Izaho mamoaka demonia amin’ ny herin’ i Belzeboba, dia amin’ ny herin’ iza kosa no amoahan’ ny zanakareo azy? koa amin’ izany dia ho mpitsara anareo ireo.Select Luke 11:19
20Fa raha ny rantsan-tànan’ Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 11:20
21Raha ny mahery mivonona amin’ ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.Select Luke 11:21
22Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.Select Luke 11:22
23Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.Select Luke 11:23
24Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.Select Luke 11:24
25Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.Select Luke 11:25
26Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’ izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.Select Luke 11:26
27Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin’ ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.Select Luke 11:27
28Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina izany.Select Luke 11:28
29Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’ i Jona;Select Luke 11:29
30Fa tahaka an’ i Jona izay famantarana tamin’ ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak’ olona amin’ ity taranaka ity.Select Luke 11:30
31Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin’ ny lehilahy amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.Select Luke 11:31
32Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin’ ny nitorian’ i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.Select Luke 11:32
33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’ izay miditra ny mazava.Select Luke 11:33
34Ny masonao no jiron’ ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.Select Luke 11:34
35Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.Select Luke 11:35
36Ary amin’ izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.Select Luke 11:36
37Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana.Select Luke 11:37
38Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana.Select Luke 11:38
39Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.Select Luke 11:39
40Ry adala! Tsy izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa?Select Luke 11:40
41Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.Select Luke 11:41
42Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’ Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.Select Luke 11:42
43Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin’ ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo.Select Luke 11:43
44Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.Select Luke 11:44
45Ary ny anankiray tamin’ ny mpahay lalàna namaly ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa.Select Luke 11:45
46Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin’ ny rantsan-tananareo iray aza.Select Luke 11:46
47Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan’ ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.Select Luke 11:47
48Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan’ ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany.Select Luke 11:48
49Koa izany no nanambaran’ ny fahendren’ Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny,Select Luke 11:49
50mba hadinina amin’ ity taranaka ity ny ran’ ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao,Select Luke 11:50
51dia hatramin’ ny ran’ i Abela ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin’ ity taranaka ity izany.Select Luke 11:51
52Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin’ ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo.Select Luke 11:52
53Ary raha niala teo Izy, dia noteren’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro.Select Luke 11:53
54Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin’ ny teny naloaky ny vavany.Select Luke 11:54
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation