Skip to content
Church.wiki
Luke

Luke 14

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon’ ny loholona anankiray amin’ ny Fariseo Izy tamin’ ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.Select Luke 14:1

2Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.Select Luke 14:2

3Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’ ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata, sa tsia?Select Luke 14:3

4Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.Select Luke 14:4

5Ary Izy nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin’ izay na dia amin’ ny andro Sabata aza?Select Luke 14:5

6Ary tsy nahavaly ny amin’ izany zavatra izany izy.Select Luke 14:6

7Ary Jesosy nanao fanoharana tamin’ izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:Select Luke 14:7

8Raha misy maka anao ho any amin’ ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin’ ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,Select Luke 14:8

9ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin’ ny fitoerana aoriana indrindra.Select Luke 14:9

10Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin’ ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’ izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.Select Luke 14:10

11Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.Select Luke 14:11

12Ary hoy Jesosy tamin’ ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin’ ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.Select Luke 14:12

13Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;Select Luke 14:13

14dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin’ ny fitsanganan’ ny marina.Select Luke 14:14

15Ary ny anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 14:15

16Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.Select Luke 14:16

17Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ ny fotoana fisakafoana hilaza amin’ izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.Select Luke 14:17

18Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.Select Luke 14:18

19Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.Select Luke 14:19

20Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’ izany tsy afaka mankany.Select Luke 14:20

21Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin’ ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin’ ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.Select Luke 14:21

22Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.Select Luke 14:22

23Ary hoy ny tompo tamin’ ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.Select Luke 14:23

24Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.Select Luke 14:24

25Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’ i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:Select Luke 14:25

26Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.Select Luke 14:26

27Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.Select Luke 14:27

28Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?Select Luke 14:28

29fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahitaSelect Luke 14:29

30ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.Select Luke 14:30

31Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ ny iray alina izy, na tsia?Select Luke 14:31

32Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.Select Luke 14:32

33Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.Select Luke 14:33

34Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?Select Luke 14:34

35Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.Select Luke 14:35

Next: Luke 15Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Luke

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.