Skip to content
Church.wiki
Luke

Luke 16

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary hoy koa Jesosy tamin’ ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’ olona taminy fa mandany ny fananany.Select Luke 16:1

2Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin’ ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.Select Luke 16:2

3Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin’ ny tompoko amin’ ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.Select Luke 16:3

4Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin’ ny fitandremana ny fananana aho.Select Luke 16:4

5Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin’ ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan’ ny tompoko aminao?Select Luke 16:5

6Ary hoy io: Diloilo injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty.Select Luke 16:6

7Dia hoy izy tamin’ ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.Select Luke 16:7

8Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’ izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ ny karazany noho ny zanaky ny mazava.Select Luke 16:8

9Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ ireo ho any amin’ ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.Select Luke 16:9

10Ary izay mahatoky amin’ ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ ny be; ary izay tsy marina amin’ ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ ny be.Select Luke 16:10

11Koa raha tsy mahatoky amin’ ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ ny tena harena?Select Luke 16:11

12Ary raha tsy mahatoky amin’ izay an’ olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?Select Luke 16:12

13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy mamôna ianareo.Select Luke 16:13

14Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an’ i Jesosy.Select Luke 16:14

15Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra.Select Luke 16:15

16Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’ i Jaona; ary hatramin’ izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.Select Luke 16:16

17Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ ny lalàna.Select Luke 16:17

18Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.Select Luke 16:18

19Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan’ andro tamin’ ny fahafinaretana.Select Luke 16:19

20Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ ny vavahadiny;Select Luke 16:20

21ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ ny latabatr’ ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.Select Luke 16:21

22Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ ny anjely ho any an-tratran’ i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;Select Luke 16:22

23ary raha nijaly tao amin’ ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an’ i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.Select Luke 16:23

24Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ ny rantsan-tanany amin’ ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ ity lelafo ity.Select Luke 16:24

25Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay atỳ, ary ianao kosa no fadiranovana.Select Luke 16:25

26Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.Select Luke 16:26

27Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin’ ny tranon’ ny raikoSelect Luke 16:27

28(fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin’ ity fijaliana ity koa izy.Select Luke 16:28

29Fa hoy Abrahama taminy: Manana an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.Select Luke 16:29

30Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin’ ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.Select Luke 16:30

31Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ ny maty aza.Select Luke 16:31

Next: Luke 17Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Luke

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.