Luke 17
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’ izay olona mahatonga izany!Select Luke 17:1
2Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin’ ireo madinika ireo aza.Select Luke 17:2
3Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.Select Luke 17:3
4Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.Select Luke 17:4
5Ary hoy ny Apostoly tamin’ ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.Select Luke 17:5
6Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin’ io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.Select Luke 17:6
7Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?Select Luke 17:7
8Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?Select Luke 17:8
9Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?Select Luke 17:9
10Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.Select Luke 17:10
11Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an’ i Samaria sy Galilia.Select Luke 17:11
12Ary raha niditra tao amin’ ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.Select Luke 17:12
13Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.Select Luke 17:13
14Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.Select Luke 17:14
15Ary ny anankiray tamin’ ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’ Andriamanitra tamin’ ny feo maherySelect Luke 17:15
16sady niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.Select Luke 17:16
17Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?Select Luke 17:17
18Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’ Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?Select Luke 17:18
19Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.Select Luke 17:19
20Ary Jesosy, nony nanontanian’ ny Fariseo izay andro hihavian’ ny fanjakan’ Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 17:20
21Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ! fa, indro, ny fanjakan’ Andriamanitra dia ao anatinareo.Select Luke 17:21
22Ary hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona, nefa tsy hahita ianareo.Select Luke 17:22
23Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.Select Luke 17:23
24Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin’ ny faravodilanitra ka mahazava hatramin’ ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak’ olona amin’ ny androny,Select Luke 17:24
25Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin’ ity taranaka ity.Select Luke 17:25
26Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona:Select Luke 17:26
27nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.Select Luke 17:27
28Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;Select Luke 17:28
29fa tamin’ ny andro izay nivoahan’ i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.Select Luke 17:29
30Dia ho tahaka izany koa amin’ ny andro hisehoan’ ny Zanak’ olona.Select Luke 17:30
31Amin’ izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin’ izay efa nilaozany izy.Select Luke 17:31
32Tsarovy ny vadin’ i Lota.Select Luke 17:32
33Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.Select Luke 17:33
34Lazaiko aminareo fa amin’ izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.Select Luke 17:34
35Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.Select Luke 17:35
36Select Luke 17:36
37Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran’ ny faty, dia any koa no hiangonan’ ny voromahery.Select Luke 17:37
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation