Skip to content
Church.wiki
Luke

Luke 19

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an’ i Jeriko.Select Luke 19:1

2Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben’ ny mpamory hetra sady nanan-karena.Select Luke 19:2

3Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan’ ny olona nifanety, satria fohy izy.Select Luke 19:3

4Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an’ i Jesosy; fa efa handalo tamin’ izany lalana izany Izy.Select Luke 19:4

5Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midìna faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.Select Luke 19:5

6Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.Select Luke 19:6

7Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin’ izay lehilahy mpanota Izy.Select Luke 19:7

8Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin’ ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo; ary raha misy zavatr’ olona nalaiko tamin’ ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.Select Luke 19:8

9Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin’ ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’ i Abrahama koa.Select Luke 19:9

10Fa efa tonga ny Zanak’ olona hitady sy hamonjy ny very.Select Luke 19:10

11Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an’ i Jerosalema Izy, ka nataon’ ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 19:11

12Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.Select Luke 19:12

13Dia niantso folo lahy tamin’ ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko.Select Luke 19:13

14Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan’ iny lehilahy iny izahay.Select Luke 19:14

15Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin’ ny fandrantoana.Select Luke 19:15

16Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.Select Luke 19:16

17Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.Select Luke 19:17

18Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.Select Luke 19:18

19Ary hoy koa izy tamin’ io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.Select Luke 19:19

20Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin’ ny mosara.Select Luke 19:20

21Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.Select Luke 19:21

22Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;Select Luke 19:22

23koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?Select Luke 19:23

24Ary hoy izy tamin’ izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa foloSelect Luke 19:24

25(Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)Select Luke 19:25

26Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’ izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.Select Luke 19:26

27Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ, ka vonoy eto anatrehako.Select Luke 19:27

28Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.Select Luke 19:28

29Ary raha nanakaiky an’ i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianatraSelect Luke 19:29

30ka nanao hoe: Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan’ olona; vahao izy, ka ento erỳ.Select Luke 19:30

31Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy.Select Luke 19:31

32Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy.Select Luke 19:32

33Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?Select Luke 19:33

34Ary hoy izy: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy.Select Luke 19:34

35Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin’ ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy.Select Luke 19:35

36Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.Select Luke 19:36

37Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitanySelect Luke 19:37

38ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin’ ny avo indrindra.Select Luke 19:38

39Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.Select Luke 19:39

40Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangìna ireo, dia ny vato no hiantsoantso.Select Luke 19:40

41Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azySelect Luke 19:41

42ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin’ ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! ― fa ankehitriny miafina amin’ ny masonao izany.Select Luke 19:42

43Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidinaSelect Luke 19:43

44ary hamongotra anao hatramin’ ny tany mbamin’ ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.Select Luke 19:44

45Ary niditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotraSelect Luke 19:45

46ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana; fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.Select Luke 19:46

47Ary nampianatra isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Izy. Fa ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;Select Luke 19:47

48nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.Select Luke 19:48

Next: Luke 20Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Luke

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.