Luke 20
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholonaSelect Luke 20:1
2ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?Select Luke 20:2
3Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:Select Luke 20:3
4Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona?Select Luke 20:4
5Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?Select Luke 20:5
6Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.Select Luke 20:6
7Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.Select Luke 20:7
8Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.Select Luke 20:8
9Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.Select Luke 20:9
10Ary tamin’ ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin’ ny mpiasa tany izy mba handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.Select Luke 20:10
11Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.Select Luke 20:11
12Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.Select Luke 20:12
13Dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.Select Luke 20:13
14Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.Select Luke 20:14
15Dia namoaka azy tany ivelan’ ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin’ izany?Select Luke 20:15
16Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!Select Luke 20:16
17Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro?.Select Luke 20:17
18Izay rehetra potraka amin’ izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.Select Luke 20:18
19Ary tamin’ izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan’ ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany.Select Luke 20:19
20Ary nizaha taratra an’ i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin’ ny teniny, hanolorany Azy ho amin’ ny hery sy ny fahefan’ ny governora.Select Luke 20:20
21Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan’ olona, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra:Select Luke 20:21
22Mety va raha mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara izahay, sa tsia?Select Luke 20:22
23Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:Select Luke 20:23
24Mampisehoa denaria amiko. An’ iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’ i Kaisara.Select Luke 20:24
25Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.Select Luke 20:25
26Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.Select Luke 20:26
27Ary ny sasany tamin’ ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:Select Luke 20:27
28Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.Select Luke 20:28
29Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.Select Luke 20:29
30Ary ny faharoaSelect Luke 20:30
31sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon’ izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.Select Luke 20:31
32Ary farany dia maty koa ravehivavy.Select Luke 20:32
33Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty ho vadin’ iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.Select Luke 20:33
34Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak’ izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;Select Luke 20:34
35fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina;Select Luke 20:35
36ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ ny anjely sady zanak’ Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ ny maty.Select Luke 20:36
37Ary Mosesy aza nanambara teo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’ i Jehovah hoe Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.Select Luke 20:37
38Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ ny velona; fa velona ho an’ Andriamanitra avokoa izy rehetra.Select Luke 20:38
39Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.Select Luke 20:39
40Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.Select Luke 20:40
41Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’ i Davida?Select Luke 20:41
42Fa Davida ihany no milaza eo amin’ ny bokin’ ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavananaSelect Luke 20:42
43Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ ny tongotrao.Select Luke 20:43
44Davida amin’ izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-zanany Azy?Select Luke 20:44
45Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany teo anatrehan’ ny olona rehetra:Select Luke 20:45
46Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain’ ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana,Select Luke 20:46
47ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.Select Luke 20:47
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation