Luke 21
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin’ ny fandatsahan-drakitra;Select Luke 21:1
2ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy.Select Luke 21:2
3Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.Select Luke 21:3
4Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ ny haben’ ny fananany no nandatsahany tao amin’ ny rakitra; fa izy kosa tamin’ ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.Select Luke 21:4
5Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:Select Luke 21:5
6Ny amin’ ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.Select Luke 21:6
7Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?Select Luke 21:7
8Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin’ ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.Select Luke 21:8
9Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin’ izay ny farany.Select Luke 21:9
10Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.Select Luke 21:10
11Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.Select Luke 21:11
12Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.Select Luke 21:12
13Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.Select Luke 21:13
14Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;Select Luke 21:14
15fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.Select Luke 21:15
16Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.Select Luke 21:16
17Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.Select Luke 21:17
18Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ ny lohanareo aza.Select Luke 21:18
19Amin’ ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.Select Luke 21:19
20Ary raha mahita an’ i Jerosalema voahodidin’ ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.Select Luke 21:20
21Ary izay any Jodia amin’ izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.Select Luke 21:21
22Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.Select Luke 21:22
23Fa lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ ny tany ary fahatezerana amin’ ity firenena ity.Select Luke 21:23
24Dia ho ringana amin’ ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ ny jentilisa.Select Luke 21:24
25Ary hisy famantarana eo amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ ny tany dia hisy fahorian’ ny firenena amin’ ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanonjany,Select Luke 21:25
26ka ho reraka ny fon’ ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ ny tany; fa ny herin’ ny lanitra dia hohozongozonina.Select Luke 21:26
27Ary amin’ izany andro izany dia hahita ny Zanak’ olona avy eo amin’ ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.Select Luke 21:27
28Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.Select Luke 21:28
29Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.Select Luke 21:29
30Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.Select Luke 21:30
31Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Luke 21:31
32Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.Select Luke 21:32
33Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.Select Luke 21:33
34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.Select Luke 21:34
35Fa hihatra amin’ izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ ny tany rehetra izany.Select Luke 21:35
36Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona.Select Luke 21:36
37Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.Select Luke 21:37
38Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly hihaino Azy.Select Luke 21:38
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation