Luke 24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Fa nony maraina koa tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia nankany amin’ ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.Select Luke 24:1
2Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ ny fasana.Select Luke 24:2
3Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’ i Jesosy Tompo.Select Luke 24:3
4Ary raha mbola very hevitra tamin’ izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.Select Luke 24:4
5Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona?Select Luke 24:5
6Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:Select Luke 24:6
7Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo.Select Luke 24:7
8Dia nahatsiaro ny teniny izy.Select Luke 24:8
9Ary niverina niala tamin’ ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy sy ny namany rehetra.Select Luke 24:9
10Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin’ i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman’ ireo koa dia nilaza izany tamin’ ny Apostoly.Select Luke 24:10
11Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.Select Luke 24:11
12Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin’ ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.Select Luke 24:12
13Ary, indreo, nisy roa lahy tamin’ ireny nandeha tamin’ izany andro izany hankany amin’ ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.Select Luke 24:13
14Dia niresaka ny amin’ izay zavatra rehetra nanjo izy.Select Luke 24:14
15Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.Select Luke 24:15
16Nefa ny mason’ ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.Select Luke 24:16
17Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.Select Luke 24:17
18Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’ izao andro izao?Select Luke 24:18
19Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,Select Luke 24:19
20dia ny amin’ ny nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ ny hazo fijaliana.Select Luke 24:20
21Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr’ izay nahatongavan’ izany.Select Luke 24:21
22Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin’ ny fasana maraina koa izy,Select Luke 24:22
23ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.Select Luke 24:23
24Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin’ ny fasana, ary nahita araka izay nolazain’ ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.Select Luke 24:24
25Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ ny mpaminany.Select Luke 24:25
26Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ ny voninahiny?Select Luke 24:26
27Dia nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masìna rehetra.Select Luke 24:27
28Ary efa mby teo akaikin’ ny vohitra izay efa halehan’ izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.Select Luke 24:28
29Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.Select Luke 24:29
30Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.Select Luke 24:30
31Dia nahiratra ny mason’ ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.Select Luke 24:31
32Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masìna tamintsika?Select Luke 24:32
33Dia niainga tamin’ izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ ny folo lahy mbamin’ izay nomba azy tafangona teoSelect Luke 24:33
34sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’ i Simona.Select Luke 24:34
35Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin’ ny namakiana ny mofo.Select Luke 24:35
36Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.Select Luke 24:36
37Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.Select Luke 24:37
38Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?Select Luke 24:38
39Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.Select Luke 24:39
40Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.Select Luke 24:40
41Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?Select Luke 24:41
42Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy.Select Luke 24:42
43Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.Select Luke 24:43
44Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.Select Luke 24:44
45Dia nanokatra ny sain’ ireo Izy hahalala ny Soratra Masìna.Select Luke 24:45
46Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo;Select Luke 24:46
47ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.Select Luke 24:47
48Ary ianareo no vavolombelon’ izany.Select Luke 24:48
49Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any amin’ ny avo.Select Luke 24:49
50Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.Select Luke 24:50
51Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.Select Luke 24:51
52Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.Select Luke 24:52
53Ary teo an-kianjan’ ny tempoly isan’ andro izy nankalaza an’ Andriamanitra.Select Luke 24:53
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation