Luke 3
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,Select Luke 3:1
2ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,― dia tonga tamin’ i Jaona, zanak’ i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’ Andriamanitra.Select Luke 3:2
3Ary nankany amin’ ny tany rehetra any amoron’ i Jordana izy nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka;Select Luke 3:3
4araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tenin’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.Select Luke 3:4
5Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;Select Luke 3:5
6Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitra.Select Luke 3:6
7Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?Select Luke 3:7
8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.Select Luke 3:8
9Ary, indro, efa mipetraka ao amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.Select Luke 3:9
10Ary ny vahoaka nanontany an’ i Jaona hoe: inona ary no hataonay?Select Luke 3:10
11Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.Select Luke 3:11
12Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?Select Luke 3:12
13Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.Select Luke 3:13
14Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin’ olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin’ ny karamanareo.Select Luke 3:14
15Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an’ i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,Select Luke 3:15
16dia namaly Jaona ka nanao tamin’ izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin’ ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;Select Luke 3:16
17eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin’ ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy azo vonoina.Select Luke 3:17
18Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin’ ny olona.Select Luke 3:18
19Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin’ i Jaona noho ny amin’ i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,Select Luke 3:19
20dia nanidy an’ i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin’ izany rehetra izany koa.Select Luke 3:20
21Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;Select Luke 3:21
22ary ny Fanahy Masìna nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.Select Luke 3:22
23Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak’ i Josefa, izay zanak’ i Hely,Select Luke 3:23
24zanak’ i Matata, zanak’ i Levy, zanak’ i Melky, zanak’ i Janay, zanak’ i Josefa,Select Luke 3:24
25zanak’ i Matitia, zanak’ i Amosa, zanak’ i Nahoma, zanak’ i Esly, zanak’ i Nagay,Select Luke 3:25
26zanak’ i Mata, zanak’ i Matatia, zanak’ i Semey, zanak’ i Joseka, zanak’ i Joda,Select Luke 3:26
27zanak’ i Joanana, zanak’ i Resa, zanak’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, zanak’ i Nery,Select Luke 3:27
28zanak’ i Melky, zanak’ i Ady, zanak’ i Kosama, zanak’ i Elmadama, zanak’ i Era,Select Luke 3:28
29zanak’ i Jesosy, zanak’ i Eliezera, zanak’ i Joreima, zanak’ i Matata, zanak’ i Levy,Select Luke 3:29
30zanak’ i Simeona, zanak’ i Joda, zanak’ i Josefa, zanak’ i Jonama, zanak’ i Eliakima,Select Luke 3:30
31zanak’ i Melea, zanak’ i Mena, zanak’ i Matata, zanak’ i Natana, zanak’ i Davida,Select Luke 3:31
32zanak’ i Jese, zanak’ i Obeda, zanak’ i Boaza, zanak’ i Salmona, zanak’ i Nahasona,Select Luke 3:32
33zanak’ i Aminadaba, zanak’ i Arny, zanak’ i Hezrona, zanak’ i Fareza, zanak’ i Joda,Select Luke 3:33
34zanak’ i Jakoba, zanak’ isaka, zanak’ i Abrahama, zanak’ i Tera, zanak’ i Nahora,Select Luke 3:34
35zanak’ i Seroga, zanak’ i Reo, zanak’ i Palega, zanak’ i Ebera, zanak’ i Sela,Select Luke 3:35
36zanak’ i Kenana, zanak’ i Arpaksada, zanak’ i Sema, zanak’ i Noa, zanak’ i Lameka,Select Luke 3:36
37zanak’ i Metosela, zanak’ i Enoka, zanak’ i Jareda, zanak’ i Mahalalila, zanak’ i Kenana,Select Luke 3:37
38zanak’ i Enosa, zanak’ i Seta, zanak’ i Adama, zanak’ Andriamanitra.Select Luke 3:38
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation