Mark 12
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.Select Mark 12:1
2Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka.Select Mark 12:2
3Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.Select Mark 12:3
4Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.Select Mark 12:4
5Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.Select Mark 12:5
6Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.Select Mark 12:6
7Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.Select Mark 12:7
8Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan’ ny tanim-boaloboka.Select Mark 12:8
9Koa ahoana no hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka amin’ izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.Select Mark 12:9
10Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masìna izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;Select Mark 12:10
11Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika?Select Mark 12:11
12Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany; dia nandao an’ i Jesosy ny olona ka lasa.Select Mark 12:12
13Ary nirahiny hankeo amin’ i Jesosy ny sasany avy tamin’ ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin’ ny teniny.Select Mark 12:13
14Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan’ olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?Select Mark 12:14
15Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.Select Mark 12:15
16Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An’ iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An’ i Kaisara.Select Mark 12:16
17Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.Select Mark 12:17
18Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:Select Mark 12:18
19Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.Select Mark 12:19
20Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.Select Mark 12:20
21Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.Select Mark 12:21
22Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran’ izy rehetra dia maty koa ravehivavy.Select Mark 12:22
23Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty, ho vadin’ iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?Select Mark 12:23
24Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna sy ny herin’ Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?Select Mark 12:24
25Fa amin’ ny hitsanganana amin’ ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy.Select Mark 12:25
26Ka ny amin’ ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin’ ny bokin’ i Mosesy, eo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan’ Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba?Select Mark 12:26
27Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ ny velona; koa diso indrindra ianareo.Select Mark 12:27
28Dia nanatona an’ i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin’ ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin’ izy rehetra?Select Mark 12:28
29Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;Select Mark 12:29
30koa tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.Select Mark 12:30
31Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.Select Mark 12:31
32Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.Select Mark 12:32
33Ary ny ho tia Azy amin’ ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.Select Mark 12:33
34Ary raha hitan’ i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’ Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.Select Mark 12:34
35Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain’ ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak’ i Davida?Select Mark 12:35
36Kanefa ny tenan’ i Davida dia nampilazain’ ny Fanahy Masìna hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.Select Mark 12:36
37Ny tenan’ i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin’ ny hafaliana.Select Mark 12:37
38Ary hoy Izy amin’ ny fampianarany: Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain’ olona eny an-tsena,Select Mark 12:38
39ary tia ny fipetrahana aloha ao amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin’ ny fanasana,Select Mark 12:39
40ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.Select Mark 12:40
41Ary raha nipetraka tandrifin’ ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.Select Mark 12:41
42Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa an-kevitry ny variroaventy avy.Select Mark 12:42
43Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ ny fandatsahan-drakitra.Select Mark 12:43
44Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ ny haben’ ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin’ ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.Select Mark 12:44
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation