Mark 13
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!Select Mark 13:1
2Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.Select Mark 13:2
3Ary raha nipetraka teo amin’ ny tendrombohitra Oliva tandrifin’ ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:Select Mark 13:3
4Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?Select Mark 13:4
5Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.Select Mark 13:5
6Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.Select Mark 13:6
7Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.Select Mark 13:7
8Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin’ ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan’ ny fahoriana.Select Mark 13:8
9Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.Select Mark 13:9
10Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.Select Mark 13:10
11Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo’ amin’ izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masìna.Select Mark 13:11
12Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.Select Mark 13:12
13Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.Select Mark 13:13
14Fa raha hitanareo mitsangana amin’ izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan’ ny fandravana (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.Select Mark 13:14
15Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.Select Mark 13:15
16Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.Select Mark 13:16
17Ary lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany!Select Mark 13:17
18Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina izany.Select Mark 13:18
19Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’ Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.Select Mark 13:19
20Ary raha tsy nohafohezin’ ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.Select Mark 13:20
21Ary amin’ izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ; aza mino ianareo.Select Mark 13:21
22Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.Select Mark 13:22
23Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.Select Mark 13:23
24Fa amin’ izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,Select Mark 13:24
25ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ ny lanitra.Select Mark 13:25
26Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra.Select Mark 13:26
27Ary amin’ izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny faran’ ny lanitra.Select Mark 13:27
28Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.Select Mark 13:28
29Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.Select Mark 13:29
30Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.Select Mark 13:30
31Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.Select Mark 13:31
32Fa ny amin’ izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.Select Mark 13:32
33Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ ny fotoana.Select Mark 13:33
34Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;Select Mark 13:34
35Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,Select Mark 13:35
36fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.Select Mark 13:36
37Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ ny olona rehetraSelect Mark 13:37
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation