Skip to content
Church.wiki
Mark

Mark 7

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany JerosalemaSelect Mark 7:1

2ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin’ ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.Select Mark 7:2

3(Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.Select Mark 7:3

4Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin’ izay fanaka varahina.)Select Mark 7:4

5Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin’ ny tanana tsy misasa izy?Select Mark 7:5

6Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian’ Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.Select Mark 7:6

7Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, Raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy..Select Mark 7:7

8Mahafoy ny didin’ Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon’ ny olona.Select Mark 7:8

9Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’ Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!Select Mark 7:9

10Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa.Select Mark 7:10

11Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ ny rainy na amin’ ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an’ Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,Select Mark 7:11

12dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ ny rainy sy ny reniny intsony izy,Select Mark 7:12

13ka dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’ izany koa no ataonareo.Select Mark 7:13

14Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.Select Mark 7:14

15Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ ny olona no mahaloto azy.Select Mark 7:15

16​Select Mark 7:16

17Ary rehefa niala teo amin’ ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’ izany fanoharana izany.Select Mark 7:17

18Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,Select Mark 7:18

19satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.Select Mark 7:19

20Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ ny olona, dia izany no mahaloto azy.Select Mark 7:20

21Fa avy ao anatin’ ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’ olona,Select Mark 7:21

22ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana:Select Mark 7:22

23izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ ny olona ka mahaloto azy.Select Mark 7:23

24Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.Select Mark 7:24

25Fa niaraka tamin’ izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ ny tongony.Select Mark 7:25

26Ary jentilisa ravehivavy, avy amin’ ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin’ ny zananivavy.Select Mark 7:26

27Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely.Select Mark 7:27

28Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ ny mofon-jaza ihany.Select Mark 7:28

29Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin’ ny zanakao-vavy ny demonia.Select Mark 7:29

30Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin’ ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.Select Mark 7:30

31Ary Jesosy niala indray tamin’ ny sisin-tanin’ i Tyro, dia namaky an’ i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia.Select Mark 7:31

32Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana.Select Mark 7:32

33Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin’ ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;Select Mark 7:33

34ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.Select Mark 7:34

35Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.Select Mark 7:35

36Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin’ iza na amin’ iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.Select Mark 7:36

37Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.Select Mark 7:37

Next: Mark 8Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Mark

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.