Mark 9
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’ Andriamanitra tonga amin’ ny hery.Select Mark 9:1
2Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’ i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,Select Mark 9:2
3ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin’ ny tany mahafotsy toy izany.Select Mark 9:3
4Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin’ i Jesosy.Select Mark 9:4
5Ary niteny Petera ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia.Select Mark 9:5
6Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.Select Mark 9:6
7Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.Select Mark 9:7
8Ary niaraka tamin’ izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.Select Mark 9:8
9Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’ olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty.Select Mark 9:9
10Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin’ izay hevitr’ izany fitsanganana amin’ ny maty izany.Select Mark 9:10
11Dia nanontany an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain’ ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.Select Mark 9:11
12Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin’ ny Zanak’ olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?Select Mark 9:12
13Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon’ ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.Select Mark 9:13
14Ary nony tonga teo amin’ ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.Select Mark 9:14
15Ary niaraka tamin’ izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.Select Mark 9:15
16Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ ireto?Select Mark 9:16
17Ary ny anankiray tamin’ ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;Select Mark 9:17
18ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin’ ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.Select Mark 9:18
19Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy.Select Mark 9:19
20Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’ i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’ izay ny fanahy. Dia lavo tamin’ ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.Select Mark 9:20
21Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan’ izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.Select Mark 9:21
22Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.Select Mark 9:22
23Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ ny mino.Select Mark 9:23
24Ary niaraka tamin’ izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ ny tsi-finoako.Select Mark 9:24
25Ary nony hitan’ i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.Select Mark 9:25
26Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon’ ny maro hoe: Maty.Select Mark 9:26
27Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.Select Mark 9:27
28Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay tsy nahavoaka azy.Select Mark 9:28
29Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’ inona na amin’ inona, afa-tsy amin’ ny fivavahana ihany.Select Mark 9:29
30Dia niala teo izy ka nizotra namaky an’ i Galilia, ary tsy tian’ i Jesosy ho fantatry ny olona izany.Select Mark 9:30
31Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak’ olona dia hatolotra eo an-tànan’ ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.Select Mark 9:31
32Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.Select Mark 9:32
33Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?Select Mark 9:33
34Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin’ izay lehibe indrindra.Select Mark 9:34
35Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin’ ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’ izy rehetra sy ho mpanompo’ izy rehetra izy.Select Mark 9:35
36Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:Select Mark 9:36
37Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.Select Mark 9:37
38Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.Select Mark 9:38
39Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.Select Mark 9:39
40Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.Select Mark 9:40
41Fa na iza na iza no manome anareo rano eran’ ny kapoaka hosotroinareo, satria an’ i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.Select Mark 9:41
42Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.Select Mark 9:42
43Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ ny helo, dia any amin’ ny afo tsy azo vonoina.Select Mark 9:43
44Select Mark 9:44
45Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny helo.Select Mark 9:45
46Select Mark 9:46
47Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ ny helo;Select Mark 9:47
48any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.Select Mark 9:48
49Fa samy ho voasira amin’ ny afo izy rehetra.Select Mark 9:49
50Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.Select Mark 9:50
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation