Skip to content
Church.wiki
Matthew

Matthew 11

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa vitan’ i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin’ ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan’ ny olona.Select Matthew 11:1

2Ary rehefa ren’ i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon’ i Kristy, dia naniraka ny mpianany izySelect Matthew 11:2

3hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?Select Matthew 11:3

4Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin’ i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:Select Matthew 11:4

5Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.Select Matthew 11:5

6Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.Select Matthew 11:6

7Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an’ i Jaona tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va?Select Matthew 11:7

8Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon’ ny mpanjaka.Select Matthew 11:8

9Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.Select Matthew 11:9

10Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao.Select Matthew 11:10

11Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin’ izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra dia lehibe noho izy.Select Matthew 11:11

12Ary hatramin’ ny andron’ i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.Select Matthew 11:12

13Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin’ i Jaona.Select Matthew 11:13

14Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.Select Matthew 11:14

15Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.Select Matthew 11:15

16Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:Select Matthew 11:16

17Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.Select Matthew 11:17

18Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.Select Matthew 11:18

19Tonga ny Zanak’ olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany.Select Matthew 11:19

20Ary tamin’ izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:Select Matthew 11:20

21Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin’ ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.Select Matthew 11:21

22Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Tyro sy Sidona amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.Select Matthew 11:22

23Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.Select Matthew 11:23

24Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ ny tany Sodoma amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminao.Select Matthew 11:24

25Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika.Select Matthew 11:25

26Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.Select Matthew 11:26

27Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.Select Matthew 11:27

28Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Select Matthew 11:28

29Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo.Select Matthew 11:29

30Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.Select Matthew 11:30

Next: Matthew 12Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Matthew

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.