Matthew 12
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Tamin’ izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin’ ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.Select Matthew 12:1
2Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata.Select Matthew 12:2
3Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha noana izy mbamin’ izay nanaraka azy,Select Matthew 12:3
4Fa niditra tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?Select Matthew 12:4
5Ary tsy mbola novakinareo ao amin’ ny lalàna va fa amin’ ny Sabata ny mpisorona ao amin’ ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?Select Matthew 12:5
6Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.Select Matthew 12:6
7Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.Select Matthew 12:7
8Fa Tompon’ ny Sabata ny Zanak’ olona.Select Matthew 12:8
9Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin’ ny synagoga;Select Matthew 12:9
10ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata? mba hiampangany Azy.Select Matthew 12:10
11Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin’ ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?Select Matthew 12:11
12Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’ izany dia mety ny manao soa amin’ ny Sabata.Select Matthew 12:12
13Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.Select Matthew 12:13
14Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.Select Matthew 12:14
15Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;Select Matthew 12:15
16ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,Select Matthew 12:16
17mba hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe:Select Matthew 12:17
18Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin’ ny jentilisa Izy;Select Matthew 12:18
19Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;Select Matthew 12:19
20Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;Select Matthew 12:20
21Ary ny anarany no hitokian’ ny jentilisa.Select Matthew 12:21
22Dia nentina tany amin’ i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.Select Matthew 12:22
23Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak’ i Davida?Select Matthew 12:23
24Fa nony ren’ ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan’ ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ ny demonia.Select Matthew 12:24
25Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.Select Matthew 12:25
26Ary raha Satana no mamoaka an’ i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ ny fanjakany?Select Matthew 12:26
27Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.Select Matthew 12:27
28Fa raha ny Fanahin’ Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Matthew 12:28
29Fa hataon’ ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.Select Matthew 12:29
30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.Select Matthew 12:30
31Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masìna.Select Matthew 12:31
32Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’ olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masìna, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’ izao fiainana izao, na amin’ ny ho avy.Select Matthew 12:32
33Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.Select Matthew 12:33
34Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin’ ny haben’ ny ao am-po no itenenan’ ny vava.Select Matthew 12:34
35Ny rakitra tsara no amoahan’ ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan’ ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.Select Matthew 12:35
36Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ ny andro fitsarana noho ny amin’ ny teny foana rehetra izay ataony.Select Matthew 12:36
37Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.Select Matthew 12:37
38Ary tamin’ izany ny sasany tamin’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.Select Matthew 12:38
39Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’ i Jona mpaminany;Select Matthew 12:39
40fa tahaka ny nitoeran’ i Jona hateloan’ andro sy hateloan’ alina tao an-kibon’ ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ ny Zanak’ olona hateloan’ Andro sy hateloan’ alina ao anatin’ ny tany.Select Matthew 12:40
41Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ ny nitorian’ i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.Select Matthew 12:41
42Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.Select Matthew 12:42
43Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.Select Matthew 12:43
44Dia hoy izy: Hody any amin’ ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.Select Matthew 12:44
45Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’ izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ ity taranaka ratsy fanahy ity.Select Matthew 12:45
46Ary raha mbola niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin’ ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.Select Matthew 12:46
47Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin’ ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.Select Matthew 12:47
48Fa namaly Izy ka nanao tamin’ ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?Select Matthew 12:48
49Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;Select Matthew 12:49
50Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.Select Matthew 12:50
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation