Skip to content
Church.wiki
Matthew

Matthew 14

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Tamin’ izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan’ i Jesosy,Select Matthew 14:1

2ka hoy izy tamin’ ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin’ ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.Select Matthew 14:2

3Fa Heroda efa nisambotra an’ i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin’ i Herodiasy, vadin’ i Filipo rahalahiny.Select Matthew 14:3

4Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.Select Matthew 14:4

5Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon’ ireo ho mpaminany Jaona.Select Matthew 14:5

6Fa nony tonga ny fitsingerenan’ ny taona nahaterahan’ i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’ i Herodiasy ka nahafaly an’ i Heroda.Select Matthew 14:6

7Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.Select Matthew 14:7

8Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa.Select Matthew 14:8

9Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.Select Matthew 14:9

10Ary dia naniraka hanapaka ny lohan’ i Jaona tao an-tranomaizina izy.Select Matthew 14:10

11Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.Select Matthew 14:11

12Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin’ i Jesosy.Select Matthew 14:12

13Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin’ ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.Select Matthew 14:13

14Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.Select Matthew 14:14

15Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin’ ny vohitra hividy hanina ho azy.Select Matthew 14:15

16Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.Select Matthew 14:16

17Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.Select Matthew 14:17

18Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.Select Matthew 14:18

19Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka.Select Matthew 14:19

20Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin’ ny folo.Select Matthew 14:20

21Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.Select Matthew 14:21

22Ary niaraka tamin’ izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.Select Matthew 14:22

23Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.Select Matthew 14:23

24Ary efa mby teo ampovoan’ ny ranomasina ny sambokely tamin’ izay, dia natopatopan’ ny alon-drano izy, fa notohain’ ny rivotra.Select Matthew 14:24

25Ary tamin’ ny fiambenana fahefatra amin’ ny alina dia nankeny amin’ ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin’ ny ranomasina.Select Matthew 14:25

26Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.Select Matthew 14:26

27Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’ izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.Select Matthew 14:27

28Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ ny rano aho.Select Matthew 14:28

29Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin’ ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ ny rano hanatona an’ i Jesosy.Select Matthew 14:29

30Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!Select Matthew 14:30

31Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’ izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?Select Matthew 14:31

32Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.Select Matthew 14:32

33Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak’ Andriamanitra tokoa Hianao.Select Matthew 14:33

34Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.Select Matthew 14:34

35Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin’ ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.Select Matthew 14:35

36Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.Select Matthew 14:36

Next: Matthew 15Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Matthew

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.