Matthew 17
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’ i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.Select Matthew 17:1
2Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.Select Matthew 17:2
3Ary, indreo, niseho tamin’ ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’ i Jesosy.Select Matthew 17:3
4Dia niteny Petera ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia.Select Matthew 17:4
5Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.Select Matthew 17:5
6Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.Select Matthew 17:6
7Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.Select Matthew 17:7
8Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.Select Matthew 17:8
9Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin’ olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty.Select Matthew 17:9
10Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan’ ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?Select Matthew 17:10
11Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.Select Matthew 17:11
12Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak’ olona.Select Matthew 17:12
13Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.Select Matthew 17:13
14Ary rehefa tonga teo amin’ ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an’ i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:Select Matthew 17:14
15Tompoko, mamindrà fo amin’ ny zanako-lahy, fa mararin’ ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin’ ny afo, ary matetika ao amin’ ny rano.Select Matthew 17:15
16Ary nitondra azy tamin’ ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.Select Matthew 17:16
17Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.Select Matthew 17:17
18Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin’ izay ora izay.Select Matthew 17:18
19Dia nankao amin’ i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?Select Matthew 17:19
20Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin’ io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.Select Matthew 17:20
21Select Matthew 17:21
22Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe: Ny Zanak’ olona efa hatolotra ho eo an-tànan’ ny olonaSelect Matthew 17:22
23ka hovonoiny, nefa amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.Select Matthew 17:23
24Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin’ i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?Select Matthew 17:24
25Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’ i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny olon-kafa?Select Matthew 17:25
26Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin’ ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.Select Matthew 17:26
27Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin’ ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.Select Matthew 17:27
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation