Skip to content
Church.wiki
Matthew

Matthew 18

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Tamin’ izany ora izany dia nankeo amin’ i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra?Select Matthew 18:1

2Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoanySelect Matthew 18:2

3ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.Select Matthew 18:3

4Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.Select Matthew 18:4

5Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.Select Matthew 18:5

6Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin’ ny ranomasina lalina izy.Select Matthew 18:6

7Lozan’ izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan’ izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.Select Matthew 18:7

8Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny afo maharitra mandrakizay.Select Matthew 18:8

9Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ ny helo mirehitra afo.Select Matthew 18:9

10Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ ny Raiko Izay any an-danitra.Select Matthew 18:10

11(Fa tonga ny Zanak’ olona hamonjy ny very.)Select Matthew 18:11

12Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?Select Matthew 18:12

13Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania.Select Matthew 18:13

14Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ ireny madinika ireny.Select Matthew 18:14

15Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;Select Matthew 18:15

16fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo.Select Matthew 18:16

17Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.Select Matthew 18:17

18Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra.Select Matthew 18:18

19Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ ny Raiko Izay any an-danitra izany.Select Matthew 18:19

20Fa na aiza na aiza no iangonan’ ny roa na telo amin’ ny anarako, dia ao afovoany Aho.Select Matthew 18:20

21Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ ny impito va?Select Matthew 18:21

22Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ ny impito, fa hatramin’ ny impito amby fito-polo.Select Matthew 18:22

23Koa amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin’ ny mpanompony ny amin’ ny volany.Select Matthew 18:23

24Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.Select Matthew 18:24

25Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain’ ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ ny fananany rehetra handoavana ny trosa.Select Matthew 18:25

26Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.Select Matthew 18:26

27Ary ny tompon’ izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.Select Matthew 18:27

28Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.Select Matthew 18:28

29Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.Select Matthew 18:29

30Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.Select Matthew 18:30

31Ary nony hitan’ ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin’ ny tompony izany rehetra natao izany.Select Matthew 18:31

32Dia nampanalain’ ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao;Select Matthew 18:32

33moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?Select Matthew 18:33

34Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.Select Matthew 18:34

35Ary tahaka izany koa no hataon’ ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ ny fonareo avy ianareo.Select Matthew 18:35

Next: Matthew 19Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Matthew

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.