Skip to content
Church.wiki
Matthew

Matthew 19

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa vitan’ i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny an-dafin’ i Jordana, dia tonga tany amin’ ny sisin’ i Jodia.Select Matthew 19:1

2Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy.Select Matthew 19:2

3Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?Select Matthew 19:3

4Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe:Select Matthew 19:4

5Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.?Select Matthew 19:5

6ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’ izany, izay nampiraisin’ Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’ olona.Select Matthew 19:6

7Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?.Select Matthew 19:7

8Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ ny fonareo no namelan’ i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ ny voalohany dia tsy mba toy izany.Select Matthew 19:8

9Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.Select Matthew 19:9

10Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ ny vadiny, dia aleo tsy manambady.Select Matthew 19:10

11Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany;Select Matthew 19:11

12fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon’ ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan’ ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.Select Matthew 19:12

13Ary tamin’ izany dia nisy zazakely nentina teo amin’ i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny.Select Matthew 19:13

14Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ ny lanitra.Select Matthew 19:14

15Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.Select Matthew 19:15

16Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?Select Matthew 19:16

17Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’ izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin’ ny fiainana ianao, tandremo ny didy.Select Matthew 19:17

18Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,Select Matthew 19:18

19Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Select Matthew 19:19

20Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?Select Matthew 19:20

21Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.Select Matthew 19:21

22Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’ alahelo izy, satria nanana fananana be.Select Matthew 19:22

23Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.Select Matthew 19:23

24Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Matthew 19:24

25Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena?Select Matthew 19:25

26Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain’ ny olona izany, fa hain’ Andriamanitra ny zavatra rehetra.Select Matthew 19:26

27Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?Select Matthew 19:27

28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’ olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianana roa ambin’ ny folo ka hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo.Select Matthew 19:28

29Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.Select Matthew 19:29

30Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.Select Matthew 19:30

Next: Matthew 20Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Matthew

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.