Skip to content
Church.wiki
Matthew

Matthew 23

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary tamin’ izany Jesosy dia niteny tamin’ ny vahoaka sy tamin’ ny mpianany ka nanao hoe:Select Matthew 23:1

2Eo amin’ ny fipetrahan’ i Mosesy no ipetrahan’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;Select Matthew 23:2

3koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.Select Matthew 23:3

4Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ ny rantsan-tànany anankiray asa.Select Matthew 23:4

5Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ ny olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.Select Matthew 23:5

6Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ ny synagogaSelect Matthew 23:6

7sy ny hoharabain’ ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ ny olona hoe: Raby ô!Select Matthew 23:7

8Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.Select Matthew 23:8

9Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.Select Matthew 23:9

10Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.Select Matthew 23:10

11Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.Select Matthew 23:11

12Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.Select Matthew 23:12

13Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.Select Matthew 23:13

14(Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)Select Matthew 23:14

15Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.Select Matthew 23:15

16Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny volamena amin’ ny tempoly, dia haningo-tena izy.Select Matthew 23:16

17Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?Select Matthew 23:17

18Ary koa: Raha misy mianiana amin’ ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.Select Matthew 23:18

19Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?Select Matthew 23:19

20Koa amin’ izany, izay mianiana amin’ ny alitara, dia mianiana aminy mbamin’ ny zavatra rehetra izay eo amboniny.Select Matthew 23:20

21Ary izay mianiana amin’ ny tempoly dia mianiana aminy mbamin’ izay mitoetra ao anatiny.Select Matthew 23:21

22Ary izay mianiana amin’ ny lanitra dia mianiana amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra mbamin’ izay mipetraka eo amboniny.Select Matthew 23:22

23Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.Select Matthew 23:23

24Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.Select Matthew 23:24

25Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.Select Matthew 23:25

26Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.Select Matthew 23:26

27Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ ny maty mbamin’ ny fahalotoana rehetra.Select Matthew 23:27

28Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin’ ny eo ivelany dia miseho amin’ ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.Select Matthew 23:28

29Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan’ ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ ny olona marina,Select Matthew 23:29

30ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin’ ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.Select Matthew 23:30

31Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak’ izay namono ny mpaminany.Select Matthew 23:31

32Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran’ ny razanareo.Select Matthew 23:32

33Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ ny helo?Select Matthew 23:33

34Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,―Select Matthew 23:34

35mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.Select Matthew 23:35

36Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.Select Matthew 23:36

37Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!Select Matthew 23:37

38Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.Select Matthew 23:38

39Fa lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.Select Matthew 23:39

Next: Matthew 24Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Matthew

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.