Matthew 26
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary rehefa vitan’ i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe Izy:Select Matthew 26:1
2Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’ olona dia hatolotra hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.Select Matthew 26:2
3Ary tamin’ izany dia nivory ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.Select Matthew 26:3
4Ary niara-nihevitra izy hisambotra an’ i Jesosy amin’ ny fitaka ka hamono Azy;Select Matthew 26:4
5kanefa hoy izy: Tsy amin’ ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin’ ny olona.Select Matthew 26:5
6Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon’ i Simona boka,Select Matthew 26:6
7dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin’ ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.Select Matthew 26:7
8Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao?Select Matthew 26:8
9Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.Select Matthew 26:9
10Ary fantatr’ i Jesosy izay nataon’ ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.Select Matthew 26:10
11Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.Select Matthew 26:11
12Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin’ ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.Select Matthew 26:12
13Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.Select Matthew 26:13
14Ary ny anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin’ ny lohan’ ny mpisoronaSelect Matthew 26:14
15ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.Select Matthew 26:15
16Ary hatramin’ izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.Select Matthew 26:16
17Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’ i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?Select Matthew 26:17
18Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.Select Matthew 26:18
19Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain’ i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.Select Matthew 26:19
20Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin’ ny mpianatra roa ambin’ ny folo lahy.Select Matthew 26:20
21Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.Select Matthew 26:21
22Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?Select Matthew 26:22
23Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin’ ny lovia, izy no hamadika Ahy.Select Matthew 26:23
24Ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.Select Matthew 26:24
25Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.Select Matthew 26:25
26Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.Select Matthew 26:26
27Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;Select Matthew 26:27
28fa ity no rako, dia ny amin’ ny fanekena, izay alatsaka ho an’ ny maro ho famelan-keloka.Select Matthew 26:28
29Ary lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ ny fanjakan’ ny Raiko.Select Matthew 26:29
30Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ ny tendrombohitra Oliva.Select Matthew 26:30
31Ary tamin’ izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana.Select Matthew 26:31
32Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.Select Matthew 26:32
33Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.Select Matthew 26:33
34Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.Select Matthew 26:34
35Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ ny mpianatra rehetra.Select Matthew 26:35
36Ary Jesosy mbamin’ ny mpianany dia tonga tao amin’ ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.Select Matthew 26:36
37Ary nitondra an’ i Petera mbamin’ izy roa lahy zanak’ i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.Select Matthew 26:37
38Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.Select Matthew 26:38
39Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.Select Matthew 26:39
40Ary nankeo amin’ ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin’ i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!Select Matthew 26:40
41Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.Select Matthew 26:41
42Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.Select Matthew 26:42
43Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.Select Matthew 26:43
44Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.Select Matthew 26:44
45Dia nankeo amin’ ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’ olona hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota.Select Matthew 26:45
46Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.Select Matthew 26:46
47Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, mbamin’ ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona.Select Matthew 26:47
48Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.Select Matthew 26:48
49Ary niaraka tamin’ izay dia nanatona an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.Select Matthew 26:49
50Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an’ i Jesosy ary nitana Azy.Select Matthew 26:50
51Ary, indro, ny anankiray tamin’ izay nomba an’ i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.Select Matthew 26:51
52Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ ny sabatra.Select Matthew 26:52
53Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?Select Matthew 26:53
54Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masìna, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?Select Matthew 26:54
55Ary tamin’ izany ora izany dia niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan’ andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.Select Matthew 26:55
56Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin’ izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.Select Matthew 26:56
57Ary izay efa nisambotra an’ i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona.Select Matthew 26:57
58Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ ny kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin’ ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.Select Matthew 26:58
59Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy;Select Matthew 26:59
60fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:Select Matthew 26:60
61Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin’ Andriamanitra Aho sy manangana azy amin’ ny hateloana.Select Matthew 26:61
62Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan’ ireto Anao?Select Matthew 26:62
63Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin’ Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra.Select Matthew 26:63
64Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.Select Matthew 26:64
65Ary tamin’ izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.Select Matthew 26:65
66Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.Select Matthew 26:66
67Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.Select Matthew 26:67
68ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?Select Matthew 26:68
69Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’ i Jesosy, ilay Galiliana.Select Matthew 26:69
70Fa izy nandà teo anatrehan’ izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.Select Matthew 26:70
71Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin’ izay teo hoe: Ity koa nomba an’ i Jesosy avy any Nazareta.Select Matthew 26:71
72Ary nandà indray tamin’ ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.Select Matthew 26:72
73Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin’ i Petera hoe: Marina tokoa fa naman’ ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.Select Matthew 26:73
74Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno.Select Matthew 26:74
75Ary Petera nahatsiaro ny tenin’ i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.Select Matthew 26:75
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation