Matthew 27
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary nony maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy.Select Matthew 27:1
2Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an’ i Pilato governora.Select Matthew 27:2
3Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholonaSelect Matthew 27:3
4ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.Select Matthew 27:4
5Ary nony natsipiny teo amin’ ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.Select Matthew 27:5
6Ary ny lohan’ ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.Select Matthew 27:6
7Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan’ ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.Select Matthew 27:7
8Koa izany no anaovana ny anaran’ izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.Select Matthew 27:8
9Ary tamin’ izany dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin’ ilay notombanana, dia ilay notombanan’ ny Zanak’ Isiraely,Select Matthew 27:9
10ka nomeny hamidy ny sahan’ ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah ahy.Select Matthew 27:10
11Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.Select Matthew 27:11
12Ary raha nampangain’ ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.Select Matthew 27:12
13dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?Select Matthew 27:13
14Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.Select Matthew 27:14
15Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an’ ny vahoaka, araka izay tiany.Select Matthew 27:15
16Ary tamin’ izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.Select Matthew 27:16
17Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?Select Matthew 27:17
18Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ireo Azy.Select Matthew 27:18
19Ary raha nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.Select Matthew 27:19
20Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’ i Barabasy ary hamono an’ i Jesosy.Select Matthew 27:20
21Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin’ izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.Select Matthew 27:21
22Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy.Select Matthew 27:22
23Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy!Select Matthew 27:23
24Ary raha hitan’ i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin’ ny ran’ ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.Select Matthew 27:24
25Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin’ ny zanakay.Select Matthew 27:25
26Ary dia nandefa an’ i Barabasy ho an’ ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin’ ny hazo fijaliana.Select Matthew 27:26
27Ary ny miaramilan’ ny governora dia nitondra an’ i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.Select Matthew 27:27
28Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.Select Matthew 27:28
29Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy!Select Matthew 27:29
30Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.Select Matthew 27:30
31Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.Select Matthew 27:31
32Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.Select Matthew 27:32
33Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,Select Matthew 27:33
34dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.Select Matthew 27:34
35Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.Select Matthew 27:35
36Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.Select Matthew 27:36
37Ary napetany teo ambonin’ ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan’ ny Jiosy.Select Matthew 27:37
38Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.Select Matthew 27:38
39Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-dohaSelect Matthew 27:39
40ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.Select Matthew 27:40
41Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:Select Matthew 27:41
42Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;Select Matthew 27:42
43natoky an’ Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy: Zanak’ Andriamanitra Aho.Select Matthew 27:43
44Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana.Select Matthew 27:44
45Ary hatramin’ ny ora fahenina ka hatramin’ ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.Select Matthew 27:45
46Ary nony tokony ho tamin’ ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?.Select Matthew 27:46
47Ary ny sasany tamin’ izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an’ i Elia Ilehio.Select Matthew 27:47
48Ary niaraka tamin’ izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy.Select Matthew 27:48
49Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.Select Matthew 27:49
50Ary rehefa niantso tamin’ ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.Select Matthew 27:50
51Ary, indro, ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;Select Matthew 27:51
52ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ ny olona masìna izay efa nodi-mandry no natsangana,Select Matthew 27:52
53ka nivoaka avy tao amin’ ny fasana ireo taorian’ ny nitsanganan’ i Jesosy, dia nankao amin’ ny Tanàna Masìna ka niseho tamin’ ny maro.Select Matthew 27:53
54Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an’ i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’ izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.Select Matthew 27:54
55Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an’ i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.Select Matthew 27:55
56Isan’ ireny Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Jakoba sy Josesy, ary ny renin’ ny zanak’ i Zebedio.Select Matthew 27:56
57Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr’ i Jesosy.Select Matthew 27:57
58Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy. Dia nasain’ i Pilato homena azy izany.Select Matthew 27:58
59Ary rehefa nalain’ i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,Select Matthew 27:59
60dia naleviny tao amin’ ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin’ ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy, dia lasa nandeha.Select Matthew 27:60
61Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin’ ny fasana.Select Matthew 27:61
62Ary nony ampitson’ ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin’ i Pilato ny lohan’ ny mpisorona sy ny FariseoSelect Matthew 27:62
63ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.Select Matthew 27:63
64Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan’ ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin’ ny olona hoe: Efa natsangana tamin’ ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.Select Matthew 27:64
65Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.Select Matthew 27:65
66Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.Select Matthew 27:66
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation