Skip to content
Church.wiki
Matthew

Matthew 6

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Tandremo mba tsy hanao ny asan’ ny fahamarinanareo eo imason’ ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.Select Matthew 6:1

2Koa amin’ izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon’ ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.Select Matthew 6:2

3Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon’ ny tananao ankavanana,Select Matthew 6:3

4mba hatao ao amin’ ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina, no hamaly anao.Select Matthew 6:4

5Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.Select Matthew 6:5

6Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ ny Rainao, Izay ao amin’ ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina no hamaly anao.Select Matthew 6:6

7Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan’ ny teniny no hihainoana azy.Select Matthew 6:7

8Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.Select Matthew 6:8

9Koa amin’ izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.Select Matthew 6:9

10Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.Select Matthew 6:10

11Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.Select Matthew 6:11

12Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.Select Matthew 6:12

13Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy.Select Matthew 6:13

14Fa raha mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.Select Matthew 6:14

15Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.Select Matthew 6:15

16Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.Select Matthew 6:16

17Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,Select Matthew 6:17

18mba tsy ho hitan’ ny olona fa mifady, fa ho hitan’ ny Rainao, Izay ao amin’ ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina, no hamaly anao.Select Matthew 6:18

19Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra.Select Matthew 6:19

20Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.Select Matthew 6:20

21Fa izay itoeran’ ny harenao, dia ho any koa ny fonao.Select Matthew 6:21

22Ny maso no jiron’ ny tena; koa amin’ izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.Select Matthew 6:22

23Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben’ izany fahamaizinana izany!Select Matthew 6:23

24Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna ianareo.Select Matthew 6:24

25Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?Select Matthew 6:25

26Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?Select Matthew 6:26

27Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?Select Matthew 6:27

28Ary nahoana no manahy ny amin’ ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin’ ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;Select Matthew 6:28

29nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ ireny.Select Matthew 6:29

30Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?Select Matthew 6:30

31Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay?Select Matthew 6:31

32Fa izany rehetra izany dia katsahin’ ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.Select Matthew 6:32

33Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.Select Matthew 6:33

34Ary amin’ izany dia aza manahy ny amin’ ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ ny andro ny ratsy miseho ao aminy.Select Matthew 6:34

Next: Matthew 7Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Matthew

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.