Matthew 9
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.Select Matthew 9:1
2Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin’ ny paralysisa nandry tamin’ ny fandriana nentin’ ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.Select Matthew 9:2
3Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.Select Matthew 9:3
4Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?Select Matthew 9:4
5Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?Select Matthew 9:5
6Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana eto ambonin’ ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.Select Matthew 9:6
7Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.Select Matthew 9:7
8Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an’ Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.Select Matthew 9:8
9Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.Select Matthew 9:9
10Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin’ i Jesosy mbamin’ ny mpianany.Select Matthew 9:10
11Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?Select Matthew 9:11
12Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.Select Matthew 9:12
13Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.Select Matthew 9:13
14Dia nankany amin’ i Jesosy ny mpianatr’ i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?Select Matthew 9:14
15Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan’ ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’ izay vao hifady izy.Select Matthew 9:15
16Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.Select Matthew 9:16
17Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.Select Matthew 9:17
18Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.Select Matthew 9:18
19Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin’ ny mpianany.Select Matthew 9:19
20Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin’ ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany.Select Matthew 9:20
21Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho.Select Matthew 9:21
22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’ izay ora izay.Select Matthew 9:22
23Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,Select Matthew 9:23
24dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.Select Matthew 9:24
25Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.Select Matthew 9:25
26Ary ny lazan’ izany dia niely tamin’ izany tany rehetra izany.Select Matthew 9:26
27Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak’ i Davida ô!Select Matthew 9:27
28Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.Select Matthew 9:28
29Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.Select Matthew 9:29
30Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’ olona izao.Select Matthew 9:30
31Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin’ izany tany rehetra izany.Select Matthew 9:31
32Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin’ ny olona tany amin’ i Jesosy.Select Matthew 9:32
33Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin’ ny Isiraely.Select Matthew 9:33
34Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.Select Matthew 9:34
35Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra.Select Matthew 9:35
36Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.Select Matthew 9:36
37Dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:Select Matthew 9:37
38Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’ izany mangataha amin’ ny Tompon’ ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.Select Matthew 9:38
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation