Skip to content
Church.wiki
Nehemiah

Nehemiah 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ny tantaran’ i Nehemia, zanak’ i Hakalia. Tamin’ ny volana Kisleo tamin’ ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,Select Nehemiah 1:1

2dia tonga Hanany, anankiray amin’ ny rahalahiko, mbamin’ ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin’ ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin’ ny fahababoana, ary ny amin’ i Jerosalema.Select Nehemiah 1:2

3Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin’ ny fahababoana izay any amin’ ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’ i Jerosalema sady nodoran’ ny afo ny vavahadiny.Select Nehemiah 1:3

4Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ Andriamanitry ny lanitraSelect Nehemiah 1:4

5ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,Select Nehemiah 1:5

6aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’ alina ho an’ ny Zanak’ Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ ny Zanak’ Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.Select Nehemiah 1:6

7Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao.Select Nehemiah 1:7

8Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin’ ny firenena maro Aho;Select Nehemiah 1:8

9nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin’ ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.Select Nehemiah 1:9

10Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin’ ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.Select Nehemiah 1:10

11Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason’ io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.Select Nehemiah 1:11

Next: Nehemiah 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Nehemiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.