Skip to content
Church.wiki
Nehemiah

Nehemiah 11

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masìna, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.Select Nehemiah 11:1

2Ary nisaoran’ ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema.Select Nehemiah 11:2

3Ary izao no ben’ ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan’ ny Joda samy nonina tao amin’ ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona.Select Nehemiah 11:3

4Ary tany Jerosalema no nonenan’ ny sasany tamin’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Benjamina. Ny avy tamin’ ny taranak’ i Joda dia Ataia, zanak’ i Ozia, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Amaria, zanak’ i Sefatia, zanak’ i Mahalalila, avy tamin’ ny taranak’ i Fareza;Select Nehemiah 11:4

5ary Mahaseia, zanak’ i Baroka, zanak’ i Kola-hoze, zanak’ i Hazaia, zanak’ i Adaia, zanak’ i Joariba, zanak’ i Zakaria, zanak’ ilay Silonita.Select Nehemiah 11:5

6Ny taranak’ i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato.Select Nehemiah 11:6

7Ary izao no taranak’ i Benjamina: Salo, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Joeda, zanak’ i Pedaia, zanak’ i Kolaia, zanak’ i Mahaseia, zanak’ Itiela, zanak’ i Jesaia;Select Nehemiah 11:7

8ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato.Select Nehemiah 11:8

9Ary Joela, zanak’ i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak’ i Senoa, no lefitry ny komandin’ ny tanàna.Select Nehemiah 11:9

10Ny avy tamin’ ny mpisorona dia Jedaia, zanak’ i Joariba, ary Jakina.Select Nehemiah 11:10

11Ary Seraia, zanak’ i Hilkia, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Meraiota, zanak’ i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra.Select Nehemiah 11:11

12Ary ny rahalahin’ ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak’ i Jerohama, zanak’ i Pelalia, zanak’ i Amzy, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Pasora, zanak’ i Malkia,Select Nehemiah 11:12

13ary ny rahalahiny, izay samy lohan’ ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak’ i Azarela, zanak’ i Ahazay, zanak’ i Mesilemota, zanak’ Imera,Select Nehemiah 11:13

14mbamin’ ny rahalahin’ ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak’ i Hagedolima, no mpifehy azy.Select Nehemiah 11:14

15Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Semaia, zanak’ i Hasoba, zanak’ i Azrikama, zanak’ i Hasabia, zanak’ i Bony;Select Nehemiah 11:15

16ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin’ ny lohan’ ny Levita, no tonian’ ny raharaha teo ivelan’ ny tranon’ Andriamanitra.Select Nehemiah 11:16

17Ary Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak’ i Samoa, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona.Select Nehemiah 11:17

18Ny Levita rehetra tao an-tanàna masìna dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.Select Nehemiah 11:18

19Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin’ ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato.Select Nehemiah 11:19

20Ary ny sisa tamin’ ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin’ ny zara-taniny avy.Select Nehemiah 11:20

21Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.Select Nehemiah 11:21

22Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin’ ny raharaha momba ny tranon’ Andriamanitra dia Ozy, zanak’ i Bany, zanak’ i Hasabia, zanak’ i Matania, zanak’ i Mika, isan’ ny mpihira, taranak’ i Asafa.Select Nehemiah 11:22

23Fa ny didin’ ny mpanjaka ny amin’ ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan’ andro.Select Nehemiah 11:23

24Ary Petahia, zanak’ i Mesezabela, isan’ ny taranak’ i Zera, zanak’ i Joda, dia teo anilan’ ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin’ ny olona.Select Nehemiah 11:24

25Fa ny amin’ ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ ny taranak’ i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,Select Nehemiah 11:25

26ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paletaSelect Nehemiah 11:26

27sy Hazara-soala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,Select Nehemiah 11:27

28ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,Select Nehemiah 11:28

29ary tany En-rimona sy Zora sy JarmotaSelect Nehemiah 11:29

30sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin’ ny lohasahan’ i Himona izy.Select Nehemiah 11:30

31Ary ny taranak’ i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,Select Nehemiah 11:31

32ary tany Anatota sy Noba sy AnaniaSelect Nehemiah 11:32

33sy Hazora sy Rama sy GitaimaSelect Nehemiah 11:33

34sy Hadida sy Zeboïma sy NebalaSelect Nehemiah 11:34

35sy Loda sy Ono, lohasahan’ ny mahay tao-zavatra.Select Nehemiah 11:35

36Ary tao amin’ ny Benjamina nisy Levita, izay isan’ ny antokon’ ny Joda.Select Nehemiah 11:36

Next: Nehemiah 12Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Nehemiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.